Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Teny an-dàlana teny

    Ambodivona : nitaraina ireo mpitari-posy sy sarety

    samedi 24 mai 2008 |  608 visites
    Nanaitra ny mpandalo omaly maraina ny nahita ireo mpitandron'ny filaminana nanao bemidina teny amin'ny manodidina ny tobim-piatsonan'ny zotra nasionaly, teny Ambodivona. Nosakanany avokoa ireo posiposy sy sarety sendra azy ireo. Noraràny tsy andeha, ary hiandry ny amin'ny 6 ora hariva vao hanohy ny diany. Niteraka resabe izany teo-javatra izany, ka izao hoentina amintsika manaraka izao ny sombintsombiny amin'izany resaka izany. ° Feno, iray amin'ireo olona mpitazatazana tojo anay teny (…)
  • Fanodikodinana olona

    7 taona tsy hitan-dreniny

    samedi 24 mai 2008 | Hery A. |  839 visites
    Nandritra ny 7 taona no tsy navela hifanatri-tava amin’ny zanany ny renim-pianakaviana iray avy any amin’ny faritra Vakinankaratra iny. Tamin’ny taona 2001 no nalain’ny ramatoa iray ny zazavavy 12 taona, zanaky ny zaobaviny, ka nasainy niasa taman’olona. Ar 10 000 isam-bolana no karama tamin’izany. Tsy raisin’ilay zazavavy miasa anefa ny vola fa alefa any amin’ny ray aman-dreniny. Nangataka ny hahita tava ny zanany ilay ramatoa saingy rehefa manatitra ilay karama Ar 10 000 ilay ramatoa (…)
  • Ady amin’ny fahantrana

    Tsy ny sakafo ihany no mahavelona

    vendredi 23 mai 2008 | Naivo kely |  592 visites
    Mitobaka etsy sy eroa ny vola avy amin’ny filoha Ravalomanana entina hiadiana amin’ny fahantrana. Porofo iray, fa eo ny finiavana hanao zavatra eto amin’ny firenena fa anjaran’ireo nomena andraikitra sisa no manatanteraka ny asa eny anivon’ny vahoaka. Voaresaka matetika ny sakafo sy ny fitaterana, izay nidiran’ny filoha manokana ny aro riaka entina hiatrehana ny mety ho fidangan’ny vidim-piainana. Zava-dehibe izany, ary tsy hidirana lalina aloha anio izay orinasa sy koperativa mety ahazo (…)
  • Ady amin’ny zava-mahadomelina

    Ho any Kenya ny MadaYn

    vendredi 23 mai 2008 | Manou |  445 visites
    Mihanaka ny fidorohana zavamahadomelina eny anivon’ny toeram-pianarana samihafa eto amintsika amin’izao fotoana izao. Misy ihany koa anefa ny ezaka atao, mifanindran-dàlana amin’izany, hiadiana amin’ny firobohan’ny tanora amin’io fahazaran-dratsy io ary lohalaharana ny Madayn (Madagascar Youth Network), tambazotra ivondronan’ny tanora miady amin’ny fidorohana zavamahadomelina any an-tsekoly eto Madagasikara, miasa eo ambany fiahian’ny fiadidiana ny Primatiora, izay efa niasa tamina faritra (…)
  • Mpitsabo nentim-paharazana

    Mbola tsy lefy laza

    vendredi 23 mai 2008 | Manou |  629 visites
    Miantso vonjy amin’izao fotoana izao ny mpitsabo nentim-paharazana matianina nohon’ny fanapotehana iniana atao amin’ny asan’izy ireo. Fahaizana madio tsy misy atahorana tahaky ny fahaizana ara-tsiansa rehetra ity karazam-pitsaboana ity, araky ny fanazavan’ireo mpiangaly azy. Tafiditry ny tetika ara-panjanahan-tsaina novolena tamin’ny malagasy anefa ny sehatra, araky ny fanazavan-dRamamonjisoa Maurice, mpitsabo ao amin’ny Toby Lovasoa ao Ankadilalampotsy-Ankaraobato, eny (…)
  • Filatsahan’ny Fanahy Masina

    Manazava ny Pasitera « Jesosy Mamonjy » iray

    jeudi 22 mai 2008 | Princia R. |  6699 visites
    Nisarika ny sain’ny olona maro tato ho ato ny mikasika ilay zaza niteny tamin’ny fiteny anglisy tany Faratsiho rehefa avy nahazo ny Fanahy Masina ka nanatona Pasitera avy amin’ny fiangonana niaviany izahay mba ahazo fanampim-panazavana. 28 taona nitondràna fiangonana teo anivon’ny Jesosy Mamonjy ny Pasitera Rakotohasinoro Honoré, izy no filoha lefitry ny Fiangonana Jesosy Mamonjy manerana an’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao izy mitandrina eto Antsirabe, ary efa nitety fiangonana (…)
  • Sheritt Ambatovy

    Filipiana 5 000 hiasa eto

    mercredi 21 mai 2008 | Penjy R. |  781 visites
    Ho avy eto Madagasikara ireo mpiasa tsy an’asa mahatratra 5 000 avy any Filipina. Asa momba ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany no ataony eto. Torakovitra ny mponina any Ambatovy sy ny manodidina. Voalohany dia ho maro ny mpiasa Malagasy no ho very asa tsy fidiny manoloana ny fidiran’ny vahiny be loatra any amin’io toerana io. Eo ihany koa ny mety hanjakazakan’ireto vahiny ireto amin’ny teratany Malagasy, ary farany dia ny mety hiparitahan’ny valan’aretina toy ny SIDA amin’ireo mponina (…)
  • Mahantra be famindram-po

    Nanampy an’ny China ara-bola i Madagasikara

    mercredi 21 mai 2008 | Penjy R. |  733 visites
    Voikava-mahatratra tokoa, ary mariky ny fifankatiavan’ny China sy i Madagasikara no nanampiana ity firenena iray ity. Vokatry ny horohoron-tany niseho andro vitsy tany amin’io firenena isan’ny matanjaka io ka namoizana ain’olona maro, dia nanolotra vola mitentina 1 tapitrisa dolara i Madagasikara. Ny ministry ny raharaham-bahiny Malagasy, Ranjeva Marcel, no nanolotra izany ny masoivoho Sinoa miasa sy monina eto amintsika. Firenena azo hambara fa mifanampy ny roa tonta ka izay no tsy (…)
  • Fandravana ny federasiona

    Haverina ministra ve Ramiaramanana ?

    mercredi 21 mai 2008 | Naivo kely |  669 visites
    Niravona ny olan’ny federasiona sy ny FIFA. Ho raikitra indray ny baolina, ary faly ny Malagasy. Tsy asiana resabe intsony momba ny didy famerenana ny federasiona amin’ny andraikiny, izay io raharaha io ihany koa no antony nampiatoana ny ministra tamin’ny asany. Niravona io ny olana, ary afaka manao ny asany antsakany sy andavany ny federasiona. Efa hita ihany koa ny famondronana ny mpilalao hiatrika ny lalao iraisam-pirenena afaka folo andro. Ny baolina kitra iny no nivaha ny olana fa ny (…)
  • Faratsiho

    Zazavavy kely nilatsahan’ny Fanahy Masina

    mardi 20 mai 2008 | Princia R. |  3919 visites
    Raharinaivo Laingo Prisca no anaran’ity zazavavy kely 11 taona azo ambara ho nilatsahan’ny Fanahy Masina ny alahadin’ny Pantekosta lasa teo tao Faratsiho. Tamin’ny andron’ny Jesoa dia voalaza fa niteny tamin’ny teny tsy fantatra ireo mpianany vantany vao naharay ny Fanahy masina. Torak’izany koa ny an’i Prisca satria hatramin’io alahady io dia lasa niteny amin’ny fiteny anglisy razazavavy, ka na miresaka aminy amin’ny ny teny gasy aza dia valiany amin’ny anglisy ihany. Ao amin’ny CEG (…)
  • Mpivarotra amoron-dàlana

    La Réunion kely no vahaolana

    mardi 20 mai 2008 | Hery A. |  671 visites
    Miha madio ny sisin-dàlan’Antananarivo, indrindra ny ao ampovoan-tanàna ao. Nandritra ny herinandro teo ho eo izay no nahafoana ny mpivarotra amoron-dàlana teny Andohan’Analakely sy Ambohijatovo iny. Nesorina ihany koa ireo mpivarotra tavoahangy ao ambadiky ny « pavillon » Analakely, saingy toa efa niverina tsikelikely indray izy izao. Tsy lasa lavitra Tsy miala lavitra anefa ireo mpivarotra fa milanjalanja ny entany eny, ka raha vao tsy mahatazana mpitandro filaminana na polisy kaominaly (…)
  • Ibity

    Misy mangalatra ireo zava-maniry harovana

    mardi 20 mai 2008 | Princia R. |  459 visites
    Efa tafiditra sy voasokajy ao anatin’ny faritra harovana ato anatin’ny faritra Vakinankaratra ny haram-bato ao Ibity. Anisan’ny naha-voafidy azy ho arovana ny fananany haren-javaboary maro na zava-maniry izany na karazam-biby ao ihany koa ny lavaka nanahary mankadiry na « Grotte ». Ny faran’ny herinandro teo ary dia lehilahy iray 28 taona no tra-tehaky ny ben’ny tanàna nitondra karazana « orchidée » iray sobika andeha haondrana amidy any Antsirabe. Tsy vao sambany no nisy tahaka izao (…)
  • Hetsika sendikaly

    Ar 400.000 ny karama farany ambany

    mardi 20 mai 2008 | Penjy R. |  1107 visites
    «Tsy ampy intsony ny fitakiana ny karama farany ambany ho Ar 210.000 ». Io no nambaran’ingahy Florentin, mpitarika sendika manoloana ny fiakatry ny vidim-piainana ankehitriny. Tsy mijanona tamin’ny 1 mey iny ihany no tolona sendikaly, fa hitohy. Ho raiketina an-taratasy ireny fitakiana ireny, dia alefa eny anivon’ny mpampiasa sy ny fanjakana. Izy ireo indray no mandinika ny mety ho tombontsoan’ny mpiasa. 18 tapitrisa mahery isika eto Madagasikara nefa 0,5% no mpiasam-panjakana. Rariny raha (…)
  • Ben’ny tanàna etsy Iavoloha

    Sady miofana no hiatrika kongresin’ny TIM

    mardi 20 mai 2008 | Naivo kely |  330 visites
    Tafapetraka ny paika isan-karazany iatrehan’ny TIM ny kongresiny manomboka rahampitso. Tonga avokoa ny mpizaika rehetra manerana ny faritra 22, ary isan’io ireo ny ben’ny tanàna izay miatrika fiofanana etsy Iavoloha izay hifarana anio. Tsapan’ny maro fa ity kongresy ity no tena mibahana tamin’ny nampiakarana ireto ben’ny tanàna eto an-drenivohitra ireto. Ny fiofanana amin’ny fahaizana mitantanana, dia fanampiny fotsiny ihany. Matoa ny olona iray milatsaka ao amin’ny kaominina sy ny faritra (…)
  • Lapan’ny tanàna

    Hijanona ho faritra mena

    lundi 19 mai 2008 | Penjy R. |  1049 visites
    Faly ny maro fa harenina ny lapan’ny tanàna. Roa taona dia ho vita ny asa, ary nisy ny famatsiam-bola avy amin’ny filoha Ravalomanana. Vonona ny tenako handray ny andraikitra amin’ny fanarenana hoy ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina, ary fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola no ahavita izao asa izao. Ny asa no hanomboka, fa ny tantara ara-politika kosa hanao ahoana ? Maro ny mpanao politika no nanambara fa tokony hipetraka ho faritra mena io toerana io mba ho fiarovana ny asa izay hatomboka eo. (…)
  • Pierre Houlder

    Tsy nahavita ny andraikiny ny mpanohitra

    lundi 19 mai 2008 | Naivo kely |  616 visites
    Tokony hanana ny tetika politika ny antoko sy ny mpanao politika rehetra. Ny mpanohitra dia natao hanitsy ny mpitondra eo amin’ny fitondrana fa tsy sanatria ny hanongana lava izay mpitondra amperin’asa no atao. Tsy ankasitrahako ny fitarihana olona hanongam-panjakana an-dàlambe satria io no namotika ny firenena hatramin’izay, ary tokony ahay haka lesona tamin’izay nitranga teto ny mpitondra. Io no fanehoan-kevitra nataon’ingahy Pierre Houlder tao amin’ny Aceem Radio omaly antoandro. (…)
  • SKET GROOVE, Edition V

    lundi 19 mai 2008 |  453 visites
    Tanteraka soa aman-tsara ny « sket groove », izay nankalaza ny faha 5 taonany tamin’ity taona ity izay notanterahina ny sabotsy 10 sy alatsinainy 12 mai lasa teo , « ny Sket Groove » moa dia hetsika goavana iray izay fanaon’ireo JEC « Jeunesse Etudiante Chrétienne » ao amin’ny Lycée Md François Xavier Antanimena, hetsika izay entina nitrandrahana ireo talenta miafin’ireo mpianatra ao aminy, izay efa toa zary mahazatra ireo mpianatra na dia isaky ny 3 taona aza no tanterahina, izay (…)
  • Gazety

    Roboka ny mpanambola

    samedi 17 mai 2008 | Naivo kely |  540 visites
    Ambara ho tsy malalaka nefa miroborobo. Io no hitarafana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Mihoatra ny zato ny karazana gazety antsoratra eto Madagasikara, ary tsy latsa-danja amin’izany ny radio. Ny fahita lavitra no hita fa vitsy raha mitaha amin’ireo. Gazety fanehoan-kevitra na fambolena na ihany koa fiaraha-monina sy ny politika, ary mipaka hatrany amin’ny gazety hivoizana ny fivavahana. Ireo dia hita avokoa, saingy misy ny mivoaka isan’andro, ary ao ny isa kerinandro. Ny (…)
  • Fonjan’ny Tsiafahy sy ny gadra politika

    Ny mivavaka ny tena andanian’izy ireo andro

    vendredi 16 mai 2008 | Penjy R. |  1020 visites
    Izay iray aina iray vatsy. Olona natambatry ny politika ao amponja ireo fianankavianay ireo, ka tsy tokony hanangana fahavalo ho an’ny tenany ny rehetra. Vadin’olona ambony teto amin’ny firenena manana havana migadra ao Tsiafahy no nilaza izany tamin’ny mpanao gazety omaly. « Hanaterana sakafo manta toy ny vary sy hena ary voamaina ny havanay, ary izy io indray no mifampitsimbina amin’ny ireo namany ao amponja ». Ankoatry ny korana fanalana andro, dia ny vavaka no tena mibahana ao amin’ny (…)
  • Fiverenan’ny federasiona baolina kitra

    Be ny ministra tsy handray baiko intsony

    vendredi 16 mai 2008 | Naivo kely |  737 visites
    Hijery baolina iraisam-pirenena indray ny gasy manomboka izao. Niverina tamin’ny toerana nilaozany ny federasiona ny baolina kitra, ary tsy hita pesipesenina ny hevitra nivoaka tetsy sy teroa taorian’ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Resy ny fanjakana, ary hitondra henatra ho an’izay niniha nanome baiko hampandrava ity federasiona ity ny tahaka izao. Misy ny mihevitra fa azo atao toy fibaikoana ny mpiray tanindrazana ny fifehezana ny FIFA, saingy itsy farany no (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}