Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • « 4MIS » eto an-drenivohitra

    Tsy mahafoy ny dabam-pakon’Antananarivo

    mardi 1er avril 2008 | Hery A. |  665 visites
    Nalaza ny hetsiky ny kaominina Antananarivo renivohitra teo amin’ny fanangonana ireo olona mpatory an-dalam-be teto an-drenivohitra. Indroa miantoana no nanaovana ny hetsika, ka olona mahantra an-jatony no noraofina. Tsy nampilazàna moa izy ireo, sao dia miafina ka tratran’ny sarika am-pandriana ny ankamaroany. Nentina teny Anosizato ka tezaina amin’ny akany mandritra ny 21 andro. Arakaraka ny fanadihadiana no hanaparitahana azy, ka ao ireo alefa mody any amin’ny tany niaviany, ary ao kosa (…)
  • Hen’omby

    Tsy sahy mihinana ny olona

    mardi 1er avril 2008 | Naivo kely |  668 visites
    Voafehy ny fijerena ifotony ny aretin’omby. Fanambaran’ny minisitera ny faran’ny herinandro teo io. Nisy araky izany ny toro-marika isan-karazany izay natao hiarovana ny omby Malagasy. Heno ihany koa fa hanondrana ity hena ity any ivelany isika. Ny tsapa anefa, dia manomboka mandositra ny fihinanan-kena ny maro. Raha nanao fanadihadiana tamin’ireo mpivaron-kena izahay, dia saika any amin’ny hena kisoa no hifandrombahana. Ny vidin’ireo hena omby sy kisoa rahateo tsy dia mifanalavitra, (…)
  • Fivorian’ny mpanohitra

    Mitodika any amin-dRajemison ny maro

    mardi 1er avril 2008 | Naivo kely |  901 visites
    Tsy maintsy tratra ny tanjona. Io ny fanehoan-kevitra nivoaka tao amin’ny fivorian’ny mpanohitra farany teo. Ny rafitra tetezamita no tian’izy ireo hajoro. Anio dia fantatra fa mbola hitohy ny fihaonana, ary miha-henjana ny fitakiana. Fantatra fa ny antoko tsirairay izay mivondrona ao amin’ny fanoherana, dia hamoaka fanambarana tsirairay, ary hisy ny atambatra avy eo ny fitakiana itambaram-be. Heno ihany koa fa misy mangataka an’ingahy Rajemison Rakotomaharo hitarika io rafitra io. (…)
  • Mampikony

    Mbola noho « Ingahy Ivan » ihany !

    lundi 31 mars 2008 |  525 visites
    Mitombo aoka izany ny saram-pandehanana ! Tsy dia ny saram-pitaterana loatra no voakasiky ny toe-javatra, amin’iny làlana mampitohy an’Ambondromamy amin’Antsiranana iny, fa ny vola lany mandra-pahatonga any mihitsy. Tapaka ny fifamoivoizana eo amin’ny tetezana Mahajamba, 30 km miala an’Ambondromamy. 3km miala eo, dia tsy azo andehanana koa ny tetezana Mahasoa. Soa ity farany fa efa ao am-panamboarana azy ny orinasa Sogea, ary raha mandeha tsara ny asa, dia mety ho vita ny alakamisy izao. (…)
  • Mariboninahitra

    Nahatsiaro ny velona ny ministera

    lundi 31 mars 2008 | Naivo kely |  375 visites
    Maty vao Ramalala. Tsy izay intsony no tanjona eo amin’ny sehatry ny zava-kanto, fa tsy maintsy omena voninahitra ny velona. Mpanakanto 23 mianadahy no notolorana mariboninahitra tetsy amin’ny lapan’ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahantena ny zoma lasa teo. Isan’ny nosalorana izany voninahitra izany i Salomon ao amin’ny « Kintana telo », nahazo ny laharam-boninahitry ny « Grand Officier », sy Lisiarimanana mpanao majika. Ny mpaka sary sy ny mpitendry ary ny mpihira no nahazo izao (…)
  • Fahasalaman’ny mpikarama

    « Hizaha dokotera any amin’ny OSTIE »

    vendredi 28 mars 2008 | RAW |  1946 visites
    « Ho any amin’ny OSTIE hizaha dokotera ». Io no ambentintenin’ny mpiasa sy ny ankohonany raha tsy mpiasam-panjakana. Toa milaza fa tsy misy misahana ny fahasalaman’ny mpikarama hafa tsy io OSTIE io. Fa inona marina ity OSTIE ity ? Manazava ny Dr. Barabara Rakotoniaina Rakotonarivo, lehiben’ny Sampandraharaha « Kalitao-Serasera » ao amin’ny OSTIE. • Madagascar Tribune : Misy ihany ireo sampandraharaha mikarakara ny fahasalaman’ny mpikarama fa maninona no raikitampisaka amin’ny mpiasa ny (…)
  • Antsirabe

    Indroa novonoiny ny zanany

    vendredi 28 mars 2008 | Princia R. |  846 visites
    Talohan’ny fetin’ny paska teo dia nahitana zaza tsy misy aina intsony tao amin’ny ranon’ny Sahalombo Antsirabe. Rehefa natao ny fanadihadiana dia tsy iza tsy akory fa ny reny niteraka azy ihany no namalana azy an-drano, ary vao 1 taona monja ilay zaza. Tratra tamina toerana iray teto Antsirabe, teny Atsinanan’Ivohitra, ilay ramatoa ary rehefa nanao ny asany ny zandary dia niaiky ny zava-bitan’ilay ramatoa ary mbola namafisiny fa fanindroany tamin’izao no namonoany ny zanany. 19 taona ity (…)
  • Andranomanelatra

    Voarohirohy ny zanaka mpitondra fivavahana

    vendredi 28 mars 2008 | Princia R. |  783 visites
    Ny 12 Martsa lasa teo dia nisy vaky trano tao Andranomanelatra ary trano mifanakaiky no lasibatry ny mpanao ratsy. Entana lafo vidy sy fitaovana elektrika, finday ary lelavola 3 500 000 Ar no lasan’ireo jiolahy. Rehefa tonga teny anivon’ny zandarimariam-pirenena ny tatitra dia nanomboka ny fanadihadihana ka niafara tamin’ny nahatratrarana ireo mpamaky trano efa-dahy, mpandray ny halatra mirahavavy ary mpampiantrano iray. tovolahy vao erotrerony 17 taona no lehiben’ny mpangalatra ary (…)
  • Antsirabe

    Toaka gasy ara-dalàna ?

    vendredi 28 mars 2008 | Princia R. |  1029 visites
    Amin’izao fotoana izao dia misy ny karazana toaka gasy ara-dalàna sy tsy ara-dalàna hany ka sahiran-tsaina ny zandary manao ny asany. Ny talata lasa teo dia nisy toaka gasy 1.000 litatra efa voatsinjara amina tavoahany plastika 1l. efa misy etikety saron’ny zandary tamin’iny làlam-pirenena faha-fito iny. Rehefa natao ny fisavana dia nampiseho ny taratasy fahafahany mandeha ilay tompon’ny toaka izay tsy iza fa olona tompon’andraikitra iray avy ao atsimotsimo ao, ankoatr’izay, ara-dalàna (…)
  • Fitantanana ny renivohitra

    Ho voasazy ve i Andry TGV ?

    vendredi 28 mars 2008 | Naivo kely |  2174 visites
    Henjana ny raharaha eto an-drenivohitra. «Tsy handefitra manana ny rariny aho», hoy i Andry Rajoelina, mpitarika ny TGV, manoloana ny fanendrena sefom-pokontany ho ataon'ny « Préfet de Police ». « Tsy afaka mibaiko ireto sefom-pokontany ireto intsony aho, satria olon'antoko izy ireo, ary fantatra fa nanohana kandida nandritra ny fifidianana ben'ny tanàna farany teo. Misy vola Ar 400.000 miditra amin'ny fokontany iray, nefa tsy misy miditra any amin'ny kaominina io. Maika ny (…)
  • Fidangan’ny kojakoja fanaovan-trano

    Tsy mampihemotra ny te-hanana

    jeudi 27 mars 2008 | Naivo kely |  1001 visites
    Tranoben’Antananarivo, izay vita aloha no manenina. Toa mifanohitra amin’io fomba fiteny io indray no hita ankehitriny. Izay nahavitamialoha no mitango hofa-trano. Ny endriky ny trano no mety miova fa ny hamafiny sy ny fomba nentin-drazana kosa dia vidiana lafo ankehitriny. Ny ho enti-manana dia miakatra andro aman’alina, nefa ny fahefa-mividin’ny mponina io hiarahana mahita io. Ny biriky iray, dia mananika ny 60 ariary ny iray ny simenitra kosa dia mahatratra 23.500 ariary ny iray. Ny (…)
  • Fanafihan-jiolahy tany Ampanefena

    Najifan’ny jiolahy ny lelavola 13 tapitrisa

    jeudi 27 mars 2008 | Nivo T. A. |  369 visites
    Maizin-kitroka ny tanànan’Ampanefena, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar. Vokatr’izany dia mahazo vahana ny vaky trano. Saiky isan’andro no maharay fitarainana ny mpitandro filaminana any an-toerana. Tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo dia mpanangona lavanila iray no nisy nanafika tao amin’ny tanànan’i Tanamandrivo. Tsy naheno na inona na inona ireo tompon-trano raha tsy efa nivoaka ny trano ireo jiolahy. Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia toa hoe nanao fanafody nampatory ireo (…)
  • Minisiteran’ny Tontolo iainana, Rano sy Ala ary Fizahan-tany

    2/3-n’ny mpizaha tany no mankafy zavaboahary

    jeudi 27 mars 2008 | Hery A. |  255 visites
    Sampan-draharaha fahatelo amin’ny fiantohana ny fidiram-bolan’ny fanjakana ny minisiteran’ny tontolo iainana, rano sy ala, ary fizahan-tany. Manana asa betsaka indrindra ao amin’ny MAP izy arak’izany, ka amin’izao ivon’ny fanatanterahana ny MAP izao dia nametraka paik’ady vaovao ny minisitera. Nomarihana nandritra ny fihaonamben’ny mpiasan’ny minisitera, ny teny ampiasaina iantsoana ny minisitera, dia ny MEEFT na « ministère de l’environnement, eau et fôret et du tourisme ». Hameno ny (…)
  • Fifidianana loholona

    Propagandy mialohan’ny fotoana

    jeudi 27 mars 2008 | Naivo kely |  285 visites
    Tsy misy manaiky ho gisitra eo, sao ny toerana no manefa. Io no tsinjo amin’ny zava-misy hiainana ankehitriny. Tsy mbola manomboka ny fampielezan-kevitra dia efa lasa ny an’ny sasany. Isan’io ny nanambaran’ny fikambanan’ny ben’ny tanànan’i Marovatana fa hanohana an-dRajemison Rakotomaharo ry zareo. Ny fifidianana mpanolontsaim-paritra amin’io mbola tsy vita. Mandeha sahady indray ny famoriana ben’ny tanàna ataon’ny minisitra sasany any amin’ny faritry SAVA. Io dia midika zavatra hafa (…)
  • Fifidianana loholona

    Handray anjara ny mpanohitra

    mercredi 26 mars 2008 | Naivo kely |  379 visites
    Aleo loholona toy izay mpanolontsaim-paritra. Ho avy tsy ho ela ny fifidianana izay ho loholona eto Madagasikara ka mpividy vaventy no handray anjara amin'io. Ny ben'ny tanàna sy ireo mpanolontsaim-paritra vao lany teo no hanefa izany adidy masina izany, ary io hiarahana mahita io ny isan'ny olon'antoko mandrafitra izany. Fantatra izao fa tsy vitsy ireo kandida avy amin'ny antoko mpanohitra no hisedra ny safidin'ireo mpifidy vaventy ireto. Isan'io ireo loholona mbola amperin'asa (…)
  • Itampolo - Toamasina

    Sokatra 253 no sarona

    mercredi 26 mars 2008 | Nivo T. A. |  326 visites
    Na dia voararan'ny lalàna aza ny fisamborana sy fihinana sokatra dia mbola misy minia manao izany ihany. Vao tsy ela akory izay dia sokatra miisa 253 no sarona tao amin'ny tanànan'Ilanivato, kominina Itampolo-Toliary. Araka ny vaovao azonay, dia saika nohanina ireo sokatra ireo no tratra, vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny tompon'andraikitry ny Rano sy Ala ary ny Fizahan-tany sy ny zandary ary ny ANGAP. Ny 15 tamin'ireo sokatra ireo moa dia efa nisy nihinana ny tao anatiny fa ny fonony (…)
  • Taratasin’ny mpamaky

    Raharaha 1947 : Aoka hazava !

    mardi 25 mars 2008 |  635 visites
    « Fanazavana fanampiny kely no arosoko : ny raibeko dia nobedain’ny sônegaly tao an-tranony tamin’ny 1947, saika tsy ren’ny renibeko akory ny fisamborana azy satria avy hatrany dia notampenanana ny vavany, raha tsy nodakany mafy ny varavarana iray hikaratoka. Ny tongony atsofoky ny mpisambotra azy ao anaty fiara sisa tazan-drenibeko, dia tsy nihaona intsony izy mivady raha tsy roa taona taorian’izay. Nampidirina am-ponja tao Antanimora izy, tsy nisy fiampangana na fitsarana raha tsy diso (…)
  • Tetezana mitsingevana

    Ninian’ny sasany nopotehana

    mardi 25 mars 2008 | Naivo kely |  466 visites
    Teraka indray ny fanararaotana fa tonga ny fety. Tany Toamasina ny sabotsy lasa teo no nahitana izany teo amin’ny faritra mihazo any Ambodiatafana. Raha mbola nizotra antsakany sy andavany ny fandehanana ny tetezana mitsingevana io maraina ny Sabotsy, dia potika tampoka izany ny antoandro. Vokany dia niakatra avo telo heny ny vola nalaina tamin’ireo fiara mandalo eo ambonin’io tetezana io. Ny fiara vaventy sy ny fiara madinika dia saika tratran’io avokoa. Ny miampita lakana ihany koa dia (…)
  • Ivandry

    Maty voatifitra ny naman’i Dorick

    mardi 25 mars 2008 | Nivo T. A. |  521 visites
    Mbola mafotaka amin’izao fotoana izao ny fikarohana an’i Dorick, ilay jiolahy nikoizana amin’ny fanafihana mitam-basy teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tamin’ny harivan’ny sabotsy lasa teo dia nanomana fanafihana tao amin’ny tokantrano iray teny Ivandry i Dorick sy ny namany miisa efatra eo ho eo, saingy nandamoka izany. Araka ny vaovao azonay, dia fiara 4L mitovy loko aminn’y taxi no nitondra ireto jiolahy dimy. Nisy nahita nihaodihaody teny amin’ny manodidina ry zalahy ka nisy (…)
  • Gisele Rabesahala

    Misy mamingavinga ny tia tanindrazana

    vendredi 21 mars 2008 | Naivo kely |  1399 visites
    « Diso ny filazana fa fanapotehana ny MDRM sy ny tia tanindrazana ny 29 martsa 1947. Nahoana no hiniana disoina ny tantara, ka ahilika tsy hipetraka ho tia ny tanindrazana ireo mpitolona tamin’izany? Tsy anjarantsika taranaka aty aoriana no mandiso ireo ray aman-dreny namoy ny ainy nandritra izany tolona izany. Ny Fifanampiana malagasy izay tarihiko», hoy ramatoa Gisele Rabesahala, « dia mampatsiahy ny 29 martsa fa andro natokana ahatsiarovana ireo namoy ny ainy nandritra ireny ady (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}