Articles dans la rubrique « Malagasy »
-
Habibiana nahatsiravina
mercredi 20 février 2008 |
Nivo T. A.
| 2840 visites
Habibiana nahatsiravina no nataon'ity raim-pianakaviana iray tany amin'ny tanànan'Andivo, fokontany Andranovana, kaominina Fanambana, ao anatin'ny distrikan'i Vohémar. Novonoiny ho faty ny vadiny ary tamin'ny alalan'ny fomba mamoehatra.
Araka ny vaovao azonay avy any an-toerana dia fanoto no natsofony tany amin'ny fivaviam-badiny, ary noveleziny tamin'ny hazobe ny vatan'ilay vehivavy. Taolana maro tamin'ny vatan'ilay vehivavy moa no tapaka ka anisan'izany ny teo amin'ny sorony, orony, (…)
-
Andro ratsy
mercredi 20 février 2008 |
Hery A.
| 598 visites
Hatramin’ny omaly talata no fe-potoana nomen’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena tsy hianaran’ny mpianatra. Faritra maro eto amin’ny nosy no voakasik’io. Ny fandalovan’ny rivo-doza moa no antony. Tamin’ny alatsinainy vao maraina no nivoaka ny filazana, ka betsaka ireo mpianatra tsy nandre ny vaovao. Nisy ihany ny mpianatra namonjy sekoly, saingy niveri-potsiny. Teo ihany koa anefa ireo tsy maintsy nanohy ny fandaharam-pianarana satria ao anatin’ny fanadinana. Tsy maintsy nianatra ihany koa (…)
-
Anosibe : Herin’aratra mifampikasoka
mardi 19 février 2008 |
Hery A.
| 363 visites
Nirehitra indray ny ampahan’ny tsena ao Anosibe. Omaly alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 5 ora teo no hitan’ny mpiambina ny loza. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso dia nipoaka ny « compteur » ao amin’ny biraon’ny tsena. Nirehitra niaraka tamin’izay ity birao ka nifamonjen’ny mpiambina aloha. Teo ny tsy fahampian’ny fitaovana namonjena, fa ny nampitatra ny afo dia ny tsy nahafahana nanokatra ity birao ity. Tsy nisy ny fanalahidy ka nanampatra ny heriny ny afo mandrapahatongan’ny (…)
-
Rivo-doza teto Iarivo
Dibo-drano tanteraka ny faritra iva eto an-drenivohitra. Iray andro monja taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza «Ivan» tany Avaratra-Andrefan’ny renivohitra dia mitondra takaitra toy ny any amin’ny faritra hafa ny mponina eny ambany tanàna. Tsy vao izao no niaram-pahavoazana tahaka izao ny faritra toy itony, fa saika mandavan-taona. Isan’ny faritra be mponina itony toerana itony, ary tsy vitsy noho izany ny manome fampanantenana ny hanarenana ny toerana ambany, rehefa tonga ny fotoana (…)
-
Ambohimanarina
Namela takaitra goavana tamin’ny faritra maro teto amin’ny Nosy ny rivo-doza «Ivan». Teto an-drenivohitra dia trano lehibe iray no nirodana teny Ambohimanarina, afak’omaly, tamin’ny 8 ora alina tany ho any. Trano misy rihana iray ity nirodana ity ary tokantrano telo samihafa no mipetraka ao aminy. Ao ambony rihana ny tompon-trano izay misy olona 9 mianaka. Ny ao ambany rihana kosa dia mpanofa trano misy olona telo avy.
Araka ny nambaran’ilay mpanofa trano tao ambany dia tamin’ny 8 ora (…)
-
Loholona TEZA
Hentitra ny teny nataon’ny birao politikan’ny TEZA, « natao hanitsy izahay fa tsy hialokaloka ». Io no nambaran’ny loholona Rakotoamboha Jean Louis omaly tao amin’ny radio ACEEM. « Mihemotra ny demokrasia eto Madagasikara, ka ilay teny filamatra nataon’ny filoha Ravalomanana milaza fa hanangana firenena vanona ao anatin’ny fahamarinana sy fanomezana hasiny ny firenena, no indro fa hitsakitsahin’ny hafa. Isan’io ny tery vay manta ataon’ny filohan’ny faritra sy ny sefo cisco ary ny lehiben’ny (…)
-
ESMGC : Oniversiten’ny ACEEM
samedi 16 février 2008 |
Hery A.
| 410 visites
Amin’ny faha 10 martsa 2008 no hanomboka ny fianarana ao amin’ny ESMGC « Ecole Supérieure de Management, Gestion et Communication » etsy Manakambahiny. Alohan’ny fitokanana azy ity dia nanao fitsidihana ofisialy ny manampahefana eto amin’ny firenena, omaly zoma maraina. Voasolo tena teto ny fanjakana foibe, tamin’ny alalan’ny mpanolon-tsaina eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny antenimieran-doholona ary ireo (…)
-
Toamasina
Malaza any amin’ny faritr’i Toamasina ny kitram-pokontany. Kitra izay heverina fa ahafahana mijery ifotony ireo tanora ahavita azy eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahan-tena eo amin’io taranja iray io. Omaly dia niditra an-tsehatra ny masoivoho Sinoa miasa eto amintsika nanolotra fitaovana toy ny fanamiana mahatratra 1400 isa mba ho fanampiana ny tanora amin’ity kitram-pokontany taom-pilalaovana 2008 ity. Nisolontena ny fitondram-panjakana nandray ity fanomezana ity ny ministry ny (…)
-
Delestazy
Vita omaly ny fandevenana ny delestazy teto Antananarivo sy ny manodidina. Notokanana omaly ilay fitaovana nafarana avy any ivelany hamongorana ny delestazy mahatratra 40 Mgw, ary ny filoha Ravalomanana mihitsy no nitokana izany. Izy ihany koa no nametraka ny vato fototra ny taona lasa iny. Mbola ampiana 50 Mgw, hoy izy, vao tena maharakotra ny faritra maro. Raha te-hatanjaka ny firenena dia mila angovo matanjaka, fa aza manantena ny handresy ny fahantrana raha tsy mipetraka io angovo io. (…)
-
Manakara
vendredi 15 février 2008 |
Nivo T. A.
| 428 visites
Kodiarana vaovao fanolo amin’ny fiara vaventy fanaboaran-dalana miisa 15 marika « Pirelli » miampy vy (fer rond) miisa 100 no zavatra very tao amin’ny toerana fitobian’entana an’ny orinasa Elter izay manamboatra ny làlam-pirenena faha-12 izay mampitohy an’Alakamisy-Ambohimaha sy Vohipeno. Araka ny vaovao azonay tany an-toerana dia mitentina Ar. 90 tapitrisa any ho any ireo fitaovana very ireo.
Tamin’ny tapaky ny volana janoary tany ho any no nitrangan’ny halatra. Nametraka fitarainana (…)
-
Famokarana
vendredi 15 février 2008 |
Naivo kely
| 369 visites
Ho taonan’ny asa ity taona 2008 ity. Io no teny filamatra indray taorian’ny filazana fa hananganana ny rindrina taorian’ny fametrahana ny fototra. Nidina ifotony toy ny tany Toamasina ny fitondrana ka hatao ho renivohitry ny toe-karena ny faritry Toamasina. Namboarina ary ho tokanana tsy ho ela ny tsena sy ny làlana any amin’io faritra io, ary tsy ny mponina ao ihany no ahazo tombony, fa ny firenena manontolo, satria firenena iray isika. Tara ihany ny fanarenana ity faritra ity, kanefa aleo (…)
-
Andrefan’Ambohijanahary : Ady tany
jeudi 14 février 2008 |
Hery A.
| 656 visites
Tany efa nisy trano niorina tamin’ny 1952 mirefy 0 ara 75 ca no hiadiana eny amin’ny fitsarana amin’izao fotoana izao.
Nisy niantso an-tariby ny zanaky ny tompon’ity trano eo Andrefan’Ambohijanahary, ao ambadiky ny toby Ratsimandrava, nilaza fa misy mangataka eny anivon’ny fokontany ny tany iorenan’ity trano ity. Tonga teny ramatoa Rafaravololona Esther zanaky ny tompon-trano dia gaga raha nitondran’olona taratasy mangataka io taniny io. Tsy hita tamin’ny peta-drindrin’ny fokontany sy ny (…)
-
Fandraharahana
Gaga ny rehetra amin’izao fandalovan’ny filoha Zambianina eto Madagasikara izao, fa toa misy mizana mitanila amin’ny fitsidihana orin’asa izay ataony. Ny talata lasa teo, dia nitsidika ny seranan-tsambo tao Toamasina ity filoham-pirenena vahiny ity, ary isan’ny nentina nitsidika ny orinasa Tiko izy. Tsy misy maha-ratsy izany, satria manana anjara lehibe ny sehatra tahaka itony eo anivon’ny SADC. Ny mahagaga anefa dia mbola nentina nitsidika ny orinasa Tiko tany Antsirabe indray izy omaly (…)
-
Andron’ny Mpifankatia
mercredi 13 février 2008 |
Volana R.
| 873 visites
Andron’ny mpifankatia! Dia malalaka avokoa, hono, ny fanehoana ny fitiavana. Na amin’ny fiteny, na amin’ny fihetsika, na amin’ny atao. Eny, hatreny imasom-bahoaka. «Tsy mba izahay fahiny izany, rankizy!», hoy i neny somary misento, kanefa tsy dia manome tsiny loatra. Satria, miova ny andro, ary mandroso ny fotoana.
Tsy mifampikasika
Tsy fomban’ny Malagasy loatra, indrindra ny eto afovoan-tany, ny maneho fihetsika lazainy mazàna fa mamoafady. Manazava ny renim-pianakaviana iray (65 taona) : (…)
-
Toamasina
mercredi 13 février 2008 |
Penjy R.
| 446 visites
Tsy ho renivohitry ny toe-karena ihany ny ao Toamasina, fa eo ihany koa ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena. Io no fototry ny dian’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ary ny Fialamboly, Patrick Ramiaramanana raha nidina tany izy ny herinandro teo. Nijery ifotony ny tontolon’ny fanatanjahantena ity minisitra ity, ka isan’ny nahe-tsika tany ny kitram-pokontany, izay niarahana tamin’ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ary nampiharina tany ny 3P (Fiaraha-miasan'ny (…)
-
Mandroseza
mercredi 13 février 2008 |
Penjy R.
| 423 visites
Tsy nisy izay tsy nikolay momban’ny fisian’ny delestazy manerana ny faritra maro teto Madagasikara ny vahoaka. Antitra ny fitaovana nampiasaina, hoy ny tompon’andraikitra tao amin’ny Jirama, ary fanamby no natao, fa tsy maintsy ho foana ity delestazy ity. Nanafatra fitaovana avy any ivelany ny fanjakana, ary navaozina tanteraka ny fotodrafitr’asa rehetra mba hametrahana ireto milina manome herinaratra ireto. Ny zoma ho avy izao ary no hotokanana ilay « centrale thermique » etsy Mandroseza (…)
-
Sakafo eny amin’ny hotely
mardi 12 février 2008 |
Hery A.
| 721 visites
Tao anatin’ny fisondrotry ny vidin-tsolika no efa niaka-bidy ny sakafo any amin’ny hotely madinidinika sy salantsalany eto an-drenivohitra. Nisoko miadana ihany satria samy nampaka-bidy tsikelikely izao mpivarotra. Tany amin’ny fiandohan’ny taona 2008 dia manodidina ny ar 1200 hatramin’ny ar. 1 500 ny vidin’ny vary iray vilia miaraka amin’ny laoka. Fotoana fohy no niakarany hatrany amin’ny ar 2 000. Amin’izao fotoana izao dia tafakatra hatramin’ny ar 3000. Mpivarotra iray etsy Antanimena no (…)
-
Entana avy any ivelany
lundi 11 février 2008 |
Hery A.
| 1724 visites
Zava-misy manerana izao tontolo izao ny fahaiza-mikaroka ara-toekarena, ataon’ny mpila ravinahitra eto amintsika amin’izao fotoana izao.
Tao anatin’ny taona 5 na 6 izay dia nisongadina teto amintsika ny tera-tany avy any Azia any ka nanova endrika ny tanàna mihitsy amin’ny alalan’ny toekarena. Nampanana asa ireo tanora maro. Navadik’ireto vahiny ireto ho tranom-barotra avokoa ireo trano amoron-dalana nikatokatona toy ny teny Behoririka, Analakely. Ny tenan’izy ireny mihitsy no nitana ny (…)
-
Fotodrafitrasan’ny kaominina
lundi 11 février 2008 |
Hery A.
| 538 visites
Miha potika ihany ireo fotodrafitrasa eto an-drenivohitra ka saika ireo fotodrafitrasa vao naorin’ny kaominina no lasibatra. Efa niaraha-nahita ireo fahasimbana teo Analakely. Tsy nisy tazana intsony koa ireny takela-by ireny, indrindra ny amin’ny toerana mangingina. Tsy fantatra loatra izay olona tsy mahatandrina ireny, fa tato ho ato kosa dia hita ny fahasimbana noho ny tsy fitandremana. Vao tamin’ny alakamisy alina teo koa no nisy fiara vaventy nitondra kaontenera avo be niditra tamin’ny (…)
-
Maraniharisy : Akaiky ny farany
« Tsy resy tsy miady izahay raha tsy mandray anjara amin’ny fifidianana izay ho mpanolon-tsaim-paritra ny 16 Mars izao. Iza no atao lasibatra amin’ny hala-bato lava izao ». Io no nambaran’ny depiote teo aloha Maranoharisy. Nisy ny fifanarahana nataon’ny mpanohitra rehetra ny tsy handraisana anjara amin’io fifidianana io, ka hoe hianjahanja eo ny mpitondra sy ny ekipany. Tany tsy misy demokrasia eto, noho izany tsy marisika mifidy ny vahoaka, saingy rehefa (…)