Articles écrits par « Naivo kely »
-
Kianjan’ny 13 mey
« Na higadra na hamoizako ny aiko, tsy hiemotra aho amin'ny fitarihana ny olona etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey. Vonona aho na dia rahampitso ihany aza, satria raha ny filazako ny marina no hisamborana ahy ho any amponja tsy olana ».
Isan'ny teny heno tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ingahy Henri Lecacheur tamin'ny mpanao gazety andro vitsy lasa izay. Vaky nandositra anefa ny lehilahy omaly raha vao natazana ny mpitandro ny filaminana saika hisambotra azy teny Analakely. Nifandrotehin'ny (…)
-
Hisy tantara indray ve ny kianjan'ny 13 Mey? Taorian'ny fitsofan'ny mpanao politika iray ny hitarihany vahoaka etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey, dia nipoitra naneho ny heviny ny ankamaroan'ny mpanao politika sy ny olon-tsotra. Aleo hiakatra kianja izay sahy, fa vonona izahay hanohana azy, hoy ny loholona Vaovao Benjamin.
Ny vahoaka sendra ny mpanao gazetinay kosa dia maro no nilaza fa hopetihina indray ve ny firenena? Aoka ahay haka lesona tamin'izay niseho, fa tsy atao tendrim-po tsy mba (…)
-
Tsiroanomandidy
Nahay nisafidy kandida ny TIM. Ekenay avy aty amin'ny tsy miankina ny fametrahana an'ingahy Roland Ravatomanga ho kandidan'ny TIM aty amin'ny faritry Bongolava. Lehilahy heverina fa ahay handravona ny disadisa niseho taty amin'ity faritra ity io, hoy ny depiote Haja voafidy tamin'ny anaran'ny ANAWI. Niaiky ity depiote ity fa mangatsiaka ny fifandraisan'ny tsy miankina amin'ny TIM any an-toerana, nefa rehefa hita fa olona afaka hiarahana miasa dia tohanana.
Fiarahana midiniky ny mpirahalahy (…)
-
Vonona ny mpanohitra hidina an-dàlam-be. Tsy mila maka alàlana fa avy hatrany dia vavany. Ny fasahian'ny vahoaka hanaraka sisa andrasana.
Manakaiky ny volana Mey izay fotoana manan-tantara eto amin'ny firenena. Tsy zoviana amin'ny maro ny zava-nisy teto hatramin'izay. Ny etsy amin'ny lapan'ny tanàna teo aloha aza zary niofo ho kianjan'ny 13 Mai. Mpitondra maro no nahazo seza tampoka noho ny fisian'ny tolona teo, ary tsy vitsy ihany ka ireo tafiditra am-ponja noho ny fikirizana hampiasa ity (…)
-
Henri Lecacheur
« Ampy izay ny fandeferana. Efa tafahoatra ny fahoriam-bahoaka, ary tsy izao no nifanarahana tamin'ity fitondrana ity, raha nametraka azy tamin'ny toerany izahay ny taona 2002. Vonona aho ny hitarika vahoaka eny an-dalambe raha ilaina, ary na higadrako aza tsy olana », hoy ingahy Henri Lecacheur raha nitafa tamin'ny mpanao gazety tetsy amin'ny Motel Anosy omaly. « Toa tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ka mitango ao avokoa ny mpitondra ankehitriny. Tsy azo ekena intsony izany ».
« Mila (…)
-
Lalao no nandrasana, nefa fihetseham-bahoaka no hita. Mitety firenena maro ilay afo « Olympique » izay noheverina fa ahafaly ny vahoaka maro eran-tany, saingy fanoherana hatrany no hita. Raha ny tao Parisy, renivohitr’ i La Frantsa no asian-dresaka, dia efa maty 20 minitra mihitsy ny afo vao narehitra indray. Tsy tokony ho faty anefa ny afo tahaka itony.
Fanoherana ny tsy fanajana ny zon’olombelona ataon-dry zareo Sinoa no anton’izao. Mpitandro ny filaminana maro no miaro ity afo ity tsy ho (…)
-
Antenimieram-pirenena
Tsy ho ela ny fotoam-pivorian’ny depiote, hifantoka any sain’ny maro. Feo maro no mifanaretsaka andalan-tsara eny Tsimbazaza. Ny resaka fikasana hanalana ny filohan’ity andrim-panjakana iray ity dia dia efa ela no nandrenesana izany. Tsy mbola nisy fanangonana sonia momba io, fa mivoaka ny vavan’ireo depiote sendra tafajanona ao ny momba izany. Ankilany tsy taitra ingahy Sylla amin’izay mety ho ataon’ny namany. Eo ihany koa ny momba an’i Zakahely, depiote voafidy tany Mananara Avaratra. Toa (…)
-
Alamino fa tsy ahitana fahombiazana. Tsinjon’ny maro fa misy sehatra tsy milamina eto amin’ny fitantanana ny fiainam-pirenena. Dia ireny hita ireny ny fisamborana manamboninahitra maro. Nambara fa mikotrika fanonganam-panjakana ry zalahy ireto.
Ny ao anatin’ny antoko matanjaka, dia io iarahana mahita io ny afitsoky ny sasany, fa toa mivadibadika tahaka ny lela may. Rehefa tsy mahazo ny fankatoavan’ny birao politika dia mandeha milatsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina raha resaka fifidianana (…)
-
Fanovana Governemanta
Tsy ho ela dia hiova indray ny firafitry ny Governemanta. Lalana iray tsy azo ialana io, satria dia misy ministra nilatsaka ho fidiana ho loholona ao. Fanampin’izay, dia maro ireo ministra amperin’asa ankehitriny no tsy dia azo hitokisana, ka isan’ieo ho esorina andaharana atsy ho atsy. Porofon’io ny fandrenesana fa maro amin’ireo mpiray donakafo amin’ny filoha no tsy raisiny mifampidinika aminy intsony. Nanomboka tamin’ny sabotsy teo dia banga ny toeran’ny ministra ao anaty Governemanta, (…)
-
Kongresin’ny TEZA
"Toerana hifandimbiasana, ary aleo ny tanora handray ny andraikiny". Isan'ny teny mahitsy nambaran'ny filoha mpanorina ny TEZA io. "Fampitana ny faneva ho eo ambany fitarihan'ny tanora izao", hoy ingahy Moxe Ramandimbilahitra, "satria 10 taona izao no nitarihako ity antoko ity". Ampy traikefa amin'izany ireo mpandimby. "Tsy entam-barotra akory ny TEZA ka azo atakalo", hoy ihany ingahy Moxe, "ary mahaiza mitandrina fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna, fa raha tsy izany, dia ny (…)
-
"Tsy misy olona tsy azo soloina, fa ny endrika sy ny fiasa angaha no mety hanavao ny maro. Ampy izay ny nitondrako ny antoko", hoy i Moxe, "fa omeko olon-kafa ny fanilo".
Antoko manana olom-boafidy tsy vitsy ry zareo TEZA, izay midika fa tsy antoko tsy mahefa eo amin'ny firenena. Maro ireo antoko taloha no nampita ny fahefana amin'ireo mpikatroka tao aminy, saingy tsy vitsy koa ireo mpitarika mbola midongy seza.
Tsy lafiny fiainana antoko ihany no ahitana izany fa eo amin'ny sehatra maro (…)
-
Fanoherana
Misoko mangina ny hetsiky ny mpanohitra. Tany amin'ny faritra avaratry ny nosy ny faritra atsimo no niaingan'izy ireo ny herinandro teo. Mpanohitra saika miray feo ao anatin'ny CRN avokoa ireto mitetity faritra ireto.
Ny rafitra tetezamita hatrany no ventesina amin'izany, ary raha ny firaisam-po tamin'ny hetsiky ny Monima farany teo no jerena, dia hita fa manararaotra izay sehatra azony hitenenana ireto mpanohitra ireto. Hevitra maro no tsinjon'ny mpitazana amin'izany, dia ny fahitana fa (…)
-
Raikitra ny fitetezam-paritra hanazavana ny sain’ny vahoaka amin’ilay rafitra tetezamita. Rafitra izay heverina fa handraisan’ny ankolafin’olona maro anjara. Io tetezamita ihany koa no hametraka ny fanjakana manaraka eo.
Saika ireo olona efa very toerana milona ao anaty mpanohitra no hita miangavy ny hidirana ao anatin’io tetezamita io. Tsy ratsy ny hevitra apoitrany, satria ny fahorian’ny vahoaka ankehitriny no antony hitakiana izao fepetra izao. Manana ny tetika hialana amin’io fahantrana (…)
-
Justice et Paix
Manjaka ny fahalovana, ary tsy hay tohaina ny herin’ny fitiavam-bola. Hatrany amin’ny mpitondra fanjakana ka hatrany amin’ny madinika indrindra no ahitana izany. Nomena ohatra ny momba ireo hazo sarobidy izay saika tratra avokoa ny fikasana hanondranana izany any ivelany. Nankaiza izy ireny rehefa voasambotra ?
Isan’ny nivoitra io tamin’ny fihaonana andiany faharoa nataon’ny Justice et Paix tamin’ny fifanakalozan-kevitra fanaony amin’ny mpanao gazety. Isan’ny nandray anjara tamin’io (…)
-
Be fihevitra fa sarotra tontosaina. Io no azo hitsikerana ny fivoriana izay mateti-pitranga teto Madagasikara. Asa na ny ilay finihavana no tsy ampy na sarotra tontosaina ilay fiketrehana natao. Raisina amin’io ilay tetika politika notontosain’ny antoko iray teto Madagasikara. Antoko maro no nandray anjara tamin’io tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina. Aiza ho aiza izao ilay vokatry ny fivoriana natao iny, raha ity sehatra ity no jerena ?
Nisy indray ny (…)
-
Fihinanana hen’omby
Sahiran-tsaina ny mpanjifa amin’ny feo miely momba ny aretina eo amin’ny hen’omby. Zary mihanahana fotsiny ity sakafo ity eny an-tsena ankehitriny, satria miteraka tahotra ho an’ny vahoaka ny aretina entiny.
Na dia efa nanambara aza ny mpitondra fanjakana fa voafehy tanteraka ny momba ity aretina mpahazo ny omby ity, dia hita hatreto fa mihanaka amin’ny fomba haingana ny feo izay toa mampitandrina ny olona tsy hihinana izany hena izany. Miainga eny amin’ny mpivarotra, mipaka hatrany amin’ny (…)
-
Tetika hafa kely indray no endrim-panoherana eto. Niparitaka teto andrenivohitra ny trakita andro vitsy lasa izay. Ny tsikera ny fitondrana ankehitrio no hita taratra ao anatin’io, ary filoham-pirenena teo aloha, eto an-tanindrazana, no nanao sonia izany.
Raha nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly ireto vondron’ny mpanohitra ireto, dia nanamafy fa miankina amin’ny fandraisan’ny vahoaka ny hevitra naparitaka ny tohin’ny hetsika. Gaga ny maro, satria nahery fihetsika ihany ireto mpanohitra (…)
-
Moxe Ramandimbilahitra
« Ny fokonolona no antoky ny fampandrosoana, ary tsinjarao araky ny tokony ho izy ny arena ». Loha-hevitra havoitran’ny TEZA amin’ny kongresiny faharoa amin’ny zoma sy sabotsy izao io. Toa tsy misy ny fampandraisana andraikitra ny vahoaka, ary hita fa tsy migoka ny hatsembohan’ny tavany intsony ny vahoaka, hoy i Moxe Ramandimbilahitra.
« Tsy hilatsaka ho ao amin’ny toeran’ny antenimieran-doholona izahay, satria ny olon’ny TIM avokoa no lany hifidy izay hipetraka eo. Tsy hisolelaka izahay fa (…)
-
Arema matotra sy ny AMF/3FM
Ny sabotsy ho avy izao no fara-fandraisana ny filatsahan-kofidiana loholona. Mbola mifandagolango amin’ireo mpifidy vaventy aloha hatreto ny olona mihevitra ny hilatsaka. Misy kosa ireo miandry hapetraka fotsiny. Isan’io ny eo anivon’ny antoko Arema matotra sy ny AMF/3FM.
Ny antony dia mba ho vali-babena nandritra ny fotoana maro nanohanany ny filoham-pirenena sy ny antoko TIM nandritra ireny fifidianana maro natao teto ireny. Ny avy eo anivon’ny TIM kosa dia tsy miditra amin’ny marimaritra (…)
-
Tsy maintsy atomboka ny fivoriana izay efa nokasaina atao. Io no fantatra tamin’ny fanehoan-kevitry ny mpikambana Monima, raha voalaza fa tsy navela hanao ny fivoriany ity antoko ity.
Tompon’antoka amin’ny filaminana izahay, hoy ireo mpikambana, ka tsy tokony hidiran’ny fanjakana lalina ny fivoriana anaty trano tahaka izao. Ny fanatarena voninkazo eny amin’ny tsangambaton’i Dada Monja no tsy azo natao koa nahoana no mbola hiniana sakanana ny fivorian’ny antoko anaty efitrano mihidy ? Ny (…)