Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Vono moka

    vendredi 7 mars 2008 | Naivo kely |  753 visites
    Tsy misy indra-fo, fa izay vandana dia kary. Fihetsika izay mahalasa saina ny maro ihany ny nahita azy tao ho ao, matin’ny balan’ny polisy hatrany ireo jiolahy mpandroba eto amin’ny tanàna. Maro no faly amin’izany, satria mampitondra faisana ny ambany lanitra ny tonta kely, saingy hatraiza ny fanajana ny ain’olombelona ? Ny fanoherana ny mpitandro ny filaminana manao ny fisamborana no fiarovan-tena entin’ireo mpitandro ny filaminana. Ahitana basy hatrany sy fitaovam-piadiana hafa hatrany (…)
  • Fifidianana sy ny AKFM

    Aza beazina hangala-bato ny vahoaka

    vendredi 7 mars 2008 | Naivo kely |  332 visites
    « Mila vaha-olana maika ny firenena. Aoka ny hery rehetra no hitambatra hanangana rafitra vaovao fa tsy vitan’ny fanjakana samy irery ny manarina ny tanindrazana ». Io no antso avo nataon’ny antoko Akfm omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo. Ny ahiahy maro apetraky ity antoko ity momba ny fifidianana, dia ny mety hisian’ny fivadihan’ny safidim-bahoaka. Toy izany ny fividianana ny mpifidy amin’ny vary 1 kilao. Ny fanjakana dia manambara fa tokony ho tezaina amin’ny fifidianana ny (…)
  • Horonan-tsary Malagasy

    Hitory ny mpamokatra ny mpilalao

    vendredi 7 mars 2008 | Naivo kely |  684 visites
    Vita ny horonan-tsary, tsy nomena ny karama. Mitaraina ireo mpilalao sarimihetsika Malagasy izay nivoaka tamin’ny fahitalavitra iray eto andrenivohitra, fa tsy nomena ny volan’izy ireo. Sarimihetsika mitondra ny lohateny « Parapaingo », izay nahitana mpilalao maromaro. Ny tapaky ny volana septembra no efa nisy ny fandrirarina nataon’ny mpamokatra itony filma Malagasy itony. Nitohy ny volana oktobra sy novambra izany, ary hatramin’izao, dia niasa maina ireto olona ireto. Nisy ny fifanarahana (…)
  • Mpanara-maso ny fifidianana

    Nankaiza ny vahiny ?

    jeudi 6 mars 2008 | Naivo kely |  301 visites
    Antomotra ny fifidianana, vonona ny ho enti-manana rehetra. Fanazavana nentin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Ati-tany io. Ny karam-pifidianana dia efa roboka amin’izany ny isam-pokontany. Ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana, dia hiroso hampahafantatra tsy ho ela ny kandida hifaninana. Vonona ny mpitandro ny filaminana mahatratra 1134 haparitaka manerana ny biraom-pifidianana manerana an’i Madagasikara. Fa ny tsy mbola voaresaka, dia ny hoe misy mpanara-maso (…)
  • Nifoha tamin’ny torimaso

    jeudi 6 mars 2008 | Naivo kely |  679 visites
    Fa nankaiza daholo ny mpanao politika 170 eto Madagasikara ? Samy nametraka io fanontaniana io ny vahoaka raha nahita fa antoko vitsy sisa no mba hany sahy miatrika fifidianana eto Madagasikara. Manomboka anio dia hafana ny fanehoan-kevitra eo amin’ny sehatra politika ka hanomboka ny azy ry zareo eo anivon’ny antoko AKFM, izay hanao fihaonana amin’ny mpanao gazety. Ahiahy maro no apetraky ity antoko ity manoloana ny fifidianana izay atao tsy ho ela. Isan’io ny mety hividianana ny (…)
  • Gasy ho lasa vazaha

    mercredi 5 mars 2008 | Naivo kely |  2138 visites
    Ho any andafy. Vao maheno ny Malagasy dia roboka, satria sarotra ny fiainana eto, ka aleo mifindra lasy. Eo koa ny sodokan’ny rendrarendra vahiny, ka atao avokoa izay hialana eto an-tanindrazana mba ho any andafy, sitrany ahay mba lasa vazaha tapany. Anio maraina no hanao ilay kaonferansa etsy amin’ny Motel Anosy ny orinasa iray avy any Aostralia « Ah Lan Associates » hikarakara ny Malagasy izay te-hifindra monina any amin’io firenena io. Vola 40.000Ariary no haloan’ny olona hikarakarana ny (…)
  • Niova taranja

    mardi 4 mars 2008 | Naivo kely |  728 visites
    Tendrom-po tsy mba namana. Fihetsika kely monja dia mampiova zavatra betsaka eo amin’ny fiainam-pirenena. Raha ny lalao baolina kitra saika atao tetsy Mahamasina ny alahady teo no asian-dresaka, dia hita fa niova taranja ny mpitia ity taranja iray ity. Mpitsara iray tsy afaka namita ny asany no indro namotehana zavatra maro, ary nanome endrika ratsy teo amin’ity taranja baolina kitra ity. Raha ny lalao baolina lavalava no nokilasian’ny hafa ho baolina be herisetra, dia any amin’ny baolina (…)
  • Simba ny toe-tsaina

    lundi 3 mars 2008 | Naivo kely |  1309 visites
    Io ary ilay efa nahiana. Miparitaka ny horonan-tsary vahiny, mahay maka lesona ny gasy. Arivo ariary dia efa mahazo horonan-tsary vahiny, ary samy misafidy izay heveriny fa mahamety azy ny tsirairay. Miainga amin’io ihany koa ny fiparitahan’ny kolontsaina vahiny eto Madagasikara. Tao ho ao, dia nahitana endrin-javatra tsy mifanahaka amin’ny foto-pisainana malagasy. Firenena iza no sahy hangalatra ny taolam-balon’ireo razany? Raha ny tarehi-marika dia ny gasy no firenena mpanary anaka (…)
  • Fampielezan-kevitra

    Ny 80%’ny mpifidy no andrasan’ny TIM

    lundi 3 mars 2008 | Naivo kely |  315 visites
    Nangatsiaka tanteraka ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ny sabotsy teo. Fampielezan-kevitra izay tsy nisy afa-tsy ny TIM no nanao izany manerana ny faritra maro. Miandrandra ny 80% ny vahoaka eto andrenivohitra ity antoko TIM ity, fa hanefa ny adidiny avokoa. Matotra amin’ny lafiny rehetra izahay hoy ny birao politikan’ny TIM, matoa mahafeno kandida amin’ny faritra izay hisian’ny fifidianana. Misy ireo mihevitra fa tsy misy vola na tombontsoa ny mpanolon-tsaim-paritra ka aleony tsy (…)
  • Kongresin’ny AREMA

    Handravina ny disadisa

    samedi 1er mars 2008 | Naivo kely |  447 visites
    Tonga ny fotoana handravonana ny disadisa anatiny. Ho fongorona ifotony ny poizina izay namono ny antoko nandritra ny taona maro. Nisy io matoa niongana tamin'ny fitondrana izahay, hoy ingahy Pieer Holder sekretera nasionaly eo anivon'ny AREMA.Manoloana izany, dia hanao ny kongresy andiany faha-roa ny antoko ny 9 Martsa izao. Mpikatroka manerana ny faritany mahatratra 400 no andrasana aminizany. Notsiahivina tao fa ny taona 97 no nisy kongresy voalohany rehefa niverina teo amin'ny fitondrana (…)
  • Omeo an’i Kaisara

    samedi 1er mars 2008 | Naivo kely |  651 visites
    Tonga ny rivo-doza nirarakompana ny vola sy ny fanampiana nomena ny traboina. Rariny io, satria izay no adidin'ny fanjakana manampy ny vahoaka ao aminy. Tsy mahavita tona anefa ny fanampiana tahaka izao, saingy vaza mihetsika kosa, ary aleo misy toy izay tsy mihinana. Raha mijery ny fahavoazana, dia saika ireo olona sahirana avokoa no nalefa any amin'ireny trano lay ireny. Tsy vitsy no nilaza fa aleonay traboina, mba mahazo izay tokony ho azo. Izay no tokony hijerena tetikasa hafa mba (…)
  • Aleo mitsabo toy izay misoroka

    vendredi 29 février 2008 | Naivo kely |  493 visites
    Tsy diso famaky ianao fa ny zava-misy no mampamadika ilay fomba fiteny tena izy. Hiverenana kely ny fahapotehana mahazo ny tranom-panjakana maro eto amintsika isaky ny mandalo ny rivo-doza. Ny sekoly, hopitaly, tranom-pokonolona, ny biraom-panjakana isan-karazany. Indray mipi-maso monja dia rava izy ireny. Ny antony dia tsy misy fikarakarana ataon’ny tompon’andraikitra izay mitantana ireny fananam-bahoaka ireny. Tamin’ny andron’ny repoblika voalohany no tena nahitana tranom-panjakana niorina (…)
  • Fifidianana 16 martsa

    Kandidam-paritra no betsaka

    vendredi 29 février 2008 | Naivo kely |  333 visites
    Raikitra ny fifaninana hiakarana eo ambony seza. Tsy seza toy ny fahita eny an-tsena, fa seza hitoeran’ireo te handray ny fahefan’ny mpanolon-tsaim-paritra eto Madagasikara ny 16 martsa izao. « Vonona izahay ato anatin’ny antoko TIM », hoy ireo birao politika sy ny mpikambana ao aminy. « Izahay irery no mahafeno ny distrika rehetra manerana an’i Madagasikara. Ny hafa kosa toa kandidam-paritra no betsaka ». « Porofo ireo », hoy ny avy eo anivon’ity antoko ity, « fa vonona hiatrika ny (…)
  • Propagandy

    Hafana ny fanehoan-kevitra

    vendredi 29 février 2008 | Naivo kely |  320 visites
    Mety ho diso fijery ny maro, raha mahita fa toa mangina ny tontolom-pifidianana atao atsy ho atsy. Ny filatsahan’ny kandida no mangatsiaka, fa maro amin’ireo mpanao Politika kosa no hisafika ny fampielezan-kevittra amin’ity indray mitoraka ity. Efa misy ny fifanarahana vita nataon’ny mpanohitra maro amin’ireo izay sahy nilatsaka, fa hiaraka haneho hevitra eny rehetra eny. Tsy hanohana kandida fa hitsikera fanjakana. Sarotra ny fanehoan-kevitra eto amintsika, ka zara aza nisy sehatra (…)
  • Jiolahy sy dahalo ve samy hafa ?

    jeudi 28 février 2008 | Naivo kely |  662 visites
    Izay vandana dia kary. Andro aman’alina no hanaovan’ny mpitandro filaminana haza lambo ireo tanora nahavanon-doza tany Antsiranana, ka nafindra aty Antananarivo ireo izay voasambotra. Ny fonja hitazonana azy ireo kosa no samy hafa. Volabe no lany amin’izao asa famongorana ny ratsy izao, satria nanofàna fiaramanidina manokana ireto jiolahy ireto nampiakarana azy aty an-drenivohitra. Fotoana fohy, dia maro no voasambotra, ary samy nifitsaka any amin’izay heveriny fa toerana tsy ahazoana azy (…)
  • Sekolim-panjakana

    Mitaky ny hifindra any ny tra-boina

    jeudi 28 février 2008 | Naivo kely |  302 visites
    Zara raha misy hitsorana. Trano lay zara raha mahazaka olona folo nefa mihoatra lavitra an’io no misy anay. Inona no tsy hamindrana anay any amin’ny sekolim-panjakana misy eto amintsika ? Ireo indray no heno amin’ny fitarainan’ny tra-boina eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mety hiteraka aretina ho anay ny fipetrahana amin’ny lafika mangatsiaka, sy trano lay tery sy hivangogoan’ny fofona isan-karazany. Mangataka izahay ny hamindrana anay toerana hafa hoy ireto renim-pianakaviana maromaro (…)
  • Mihorohoro ny manodidina

    mercredi 27 février 2008 | Naivo kely |  751 visites
    Tafakatra eto andrenivohitra ireo jiolahy heverina fa atahorana avy any Antsiranana. Nisy ny nalefa eny Tsiafahy sy Antanimora, ary ireo tsy ampy taona kosa voalaza fa eny Anjanamasina no natoby. Raha ity farany no asiana resaka, dia mihorohoro ny mponina eny Anjanamasina noho ny fandrenesana io vaovao io. Ny resaka fiaravona ny faritra hitazonana itony olona itony no antony. Hiarahana mahita ihany ny havitsin'ny mpiambina io toerana io. "Ny tamboho azo hitsoahana", hoy ny mpitazana, "ary (…)
  • Fanampiana ho an’ny traboina

    Ny mpanararaotra no voky

    mercredi 27 février 2008 | Naivo kely |  499 visites
    Io indray ilay fitiavantena eo amin'ny gasy. Fanampiana natokana ho an'ireo traboina natolotry ny filoham-pirenena Ravalomanana no misy manodina sahady. Saika tsy mandeha amin'ny laoniny avokoa ny vola, ny vary sy ny voamaina natolotra ho an'ireo niharam-pahavoazana. Tetsy Anosimahavelona dia nahitana izany, satria vola 2 alina ariary isam-pianankaviana no voatokana ho zaraina isan'andro, dia maro no tsy nahazo ny anjarany. Izay mba mahazo indray, dia tsy misy afa-tsy dimy arivo ariary no (…)
  • Antoko TIM

    Tsy propagandy fa famonjena

    mercredi 27 février 2008 | Naivo kely |  320 visites
    Vita ny fitia tsy mba hetra, niroso tamin'ny famonjena ny traboina ny TIM. Tetsy amin'ny birao nasionaly mitantana ny fanampiana amin'ny loza voajanahary Antanimora no nanoloran'ny antoko TIM ny fanomezana ho an'ireo traboina farany teo. Vary, vola, fanitso, voamaina, savony, menaka. Ireo no anjara fanampiana ho an'ny mpiray tanindrazana nataon'ity antoko ity. Tonga nandray ireto fanampiana ireto ny Praiministra lehiben'ny Governemanta Charles Rabemananjara, ary ny birao Politikan'iTIM kosa (…)
  • Tsy ampy fanazavana

    mardi 26 février 2008 | Naivo kely |  513 visites
    Miroso mametraka ireo rafitra ao anatin'ny lalàmpanorenana ny fitondrana ankehitriny. Tafiditra ao anatin'io ny fametrahana ny mpanolon-tsaim-paritra izay hatao ny 16 martsa izao. Tsy iadiana hevitra ny fangatahana ny fanemorana io fifidianana io, fa ny tsara hidirana lalina dia ny hoe, fantatry ny vahoaka ve ny tena andraikitry izany mpanolon-tsaim-paritra izany ? Io no ilana fanazavana mafonja amin'ny vahoaka, mba tsy hifidy an-jambany izy ireo. Maro no milaza fa ho vitsy ny ho tonga (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}