Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Fanampiana ny traboina

    « Manararaotra Ravalomanana », hoy ny AKFM

    mardi 26 février 2008 | Naivo kely |  726 visites
    Apetraho ny resaka politika fa ain'olombelona no vonjena. Io no fanehoan-kevitra nataon'ny antoko AKFM taorian'ny fivoriana nataon'ny birao politika ny faran'ny herinandro teo. Adidin'ny fanjakana ny manampy ny mpiray tanindrazana, ary volam-panjakana no ampiasaina fa tsy vola manokan'ny mpitondra. Noho izany dia tokony atao mitovy ny fizarana ny fanampiana fa tsy zara vilana. Nanome ohatra tamin'ny seho tany Toamasina sy Ambatondrazaka ny AKFM izay hita ny fitongilanana raha oharina ny (…)
  • Fay

    lundi 25 février 2008 | Naivo kely |  1032 visites
    Aleo mangina toy izay higadra. Adalan’izay mbola te-hiditra amin’ny tabataba eto amin’ny firenena fa raha izaho aloha dia aleoko miasa. Isan’ny teny nataon’ny mpanao Politika iray, izay isan’ny nafana fo teny amin’ny amin’ny antenimieram-pirenena nefa lasa ben’ny tanàna ankehitriny. Toa miendrika ho anatra ho an’ireo namany mbola miroso amin’ny fanoherana ny tenin’ity lehilahy iray ity. Raha tsorina dia aza misy manohitra intsony e. Dia avela handeha ila ve anefa ny firenena raha toa (…)
  • Kaomina Belo/Tsiribihina

    Nanenina nanao depiote i Faharo

    lundi 25 février 2008 | Naivo kely |  859 visites
    « Potika ny kaominina ao Belo sur Tsiribihina, ary tsy maintsy harenina haingana. Tsy harenina amin’ny asa tsy ho tanteraka anefa fa amin’ny asa vitan’ny tànana ». Io no nambaran’ny ben’ny tanànan’ny kaominina ao Belo sur Tsiribihina Faharo Ratsimbalison. Apetraka ny hazo aritifisialy hanome endrika ny tanàna, ary na dia kely aza ny hetra miditra ao amin’ity kaominina ity, dia tsy maintsy mandroso ny tanjona. Vola tangosana amin’ny vidin’anana no mba hetra miditra hampandrosoana ity (…)
  • Mibaribary ny fahantrana

    samedi 23 février 2008 | Naivo kely |  687 visites
    Soa fa nisy ny rivo-doza. Io no mba vetsoventson’ny mponina izay notolorana fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ny alakamisy teo. Tsy ny rano miakatra na ny fananana potika no mahafaly ny sasany, fa ilay vary sy vola kely azon’izy ireo. Vary sy vola isan-tokantrano no zaraina, ary eo ihany koa ny savony sy ny fanafody. Tokantrano maromaro no dibo-kafaliana nandray izany. Tsy nisalasala izy ireo niteny imasom-bahoaka fa mba hihinam-bary indray. Rehefa nozohiana io teny io, dia tsapa (…)
  • Voinkava-mahatratra

    Teraka ny fanararaotana

    samedi 23 février 2008 | Naivo kely |  450 visites
    Satriko aza maratra. Tanteraka io fomba fiteny io manoloana ny voina mahazo ny mpiray tanindrazana. Miaka-bidy avokoa ny entana rehetra amidy eny an-tsena toy ny vary izay tafakatra hatrany amin’ny 2000 Ar. ivelan’ny renivohitra. Ny kojakoja ilain’ny mponina andavanandro « PPN » dia nahitana io fiakarana io avokoa. Voalaza fa ny hafitsoky ny mpitatitra no nahatonga izany. Raha nidina teny amin’ny toby fiantsonan’ny mpitatitra amin’ny zotra nasionaly ny mpanao gazety namakafaka momba izany, (…)
  • Andrianiko ny teniko

    vendredi 22 février 2008 | Naivo kely |  943 visites
    "Teny malagasy, teny ibeazako, teny ahombiazako". Io no lohahevitra nentina nankalaza ny andro eran-tany ho an'ny tenin-dreny teto Madagasikara omaly. harena, reharehan-tsika ny fampiasana io teny Malagasy io, satria vahoaka mahatratra 18 tapitrisa no mampiasa azy. Firenena mahaleotena isika manana azy, ka tsy tokony ho atao valalan'amboa ka isika tompony indray no andeha tsy ho tia izany. "Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa kosa feheziko". Teny fandre matetika io, hilazana fa tsy ho atao (…)
  • Fijerena ny tra-boina

    Mitodika ny eto andrenivohitra ny mpitondra

    vendredi 22 février 2008 | Naivo kely |  410 visites
    Iray ny vahoaka Malagasy, ka tsy misy tombo sy ala. Io no vetin'ny teny nataon'ny mpitondra fanjakana, notarihan'ny Praiministra Charles Rabemananjara omaly, raha nitety faritra maro izy ireo omaly. Teny Andohatapenaka no nanombohany izany, ary nitohy tamin'ireo faritra hafa manodidina. Tsy fitsidihana fotsiny, fa nitondrana ihany koa ireo izay voatsirambin'ny tànana. Ny filoha Ravalomanana ihany koa dia tsy mitazana fotsiny ireo mpiray tanindrazana aminy, fa nidina teny amin'ireo faritra (…)
  • AREMA

    « Mitombina ny ahiahinay »

    vendredi 22 février 2008 | Naivo kely |  583 visites
    Ity rivo-doza mamotika ny mpiray tanindrazana ity, no anton'ny fitakiana ny hanemorana ny fifidianana. Io indray no nentin'ny antoko AREMA nanamarin-tena amin'ny fitakiany ny hanemorana ny fifidianana. Tetsy amin'ny foibe Soanierana no nilazany ireo omaly. Taorian'ny nandavan'ny fitsarana ilay fitoriana napetraky ity antoko ity ny hanemorana ny fifidianana, dia mitohy ny fanoherana ataon'izy ireo ny fifidianana mpanolon-tsaim-paritra ny 16 martsa izao. Ny manitikitika ny rehetra, dia ny hoe, (…)
  • Samy mandeha samy mitady

    jeudi 21 février 2008 | Naivo kely |  760 visites
    Tsy azo antenaina ny hisian'ny marimaritra iraisana eo amin'ny sefom-pokontany sy ny ben'ny tanana eto andrenivohitra. Samy malailay fonosona amin'ny mety hisian'ny fiaraha miasa ny roa tonta. Ny sefom-pokontany mbola tafajanona amin'ny toerany, dia mbola manantena ny hiverina eo rehefa tendren'ny Préfet de Police. Ny ben'ny ny tanana kosa dia milaza fa mipetraka ao amin'ireto olona notendrena teo aloha ireto ny fijerin'antoko. Isan'io ny nilazany fa raha vao lany ny tenany, ka tokony hisy (…)
  • Injay ilay feo

    mardi 19 février 2008 | Naivo kely |  351 visites
    Mateti-pihavy ny loza voajanahary eto Madagasikara, satria nosy isika. Ny vanim-potoana toy izao mazana no tena famelezan’ny sikilaonina, ary tanàna maro no rava ao anatin’ny indray mipi-maso. Ny manarina ny fahavoazana kosa anefa tsy vita iray volana. Hita sy tsapa ireo amin’ny ezaka ataon’ny mponina sy ny fanjakana taorian’ny rivo-doza « Fame » teo. Dia hanarina ny voka-dratsin’i « Ivan » indray izany, na dia hita fa mbola tsy mikatona aza ny fery navelan’ny teo aloha. Ny fifidianana (…)
  • Rivo-doza teto Iarivo

    Voa indray ny faritra iva

    mardi 19 février 2008 | Naivo kely |  510 visites
    Dibo-drano tanteraka ny faritra iva eto an-drenivohitra. Iray andro monja taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza «Ivan» tany Avaratra-Andrefan’ny renivohitra dia mitondra takaitra toy ny any amin’ny faritra hafa ny mponina eny ambany tanàna. Tsy vao izao no niaram-pahavoazana tahaka izao ny faritra toy itony, fa saika mandavan-taona. Isan’ny faritra be mponina itony toerana itony, ary tsy vitsy noho izany ny manome fampanantenana ny hanarenana ny toerana ambany, rehefa tonga ny fotoana (…)
  • Loholona TEZA

    Nivaona tamin’ny fifanarahana ny mpitondra

    lundi 18 février 2008 | Naivo kely |  319 visites
    Hentitra ny teny nataon’ny birao politikan’ny TEZA, « natao hanitsy izahay fa tsy hialokaloka ». Io no nambaran’ny loholona Rakotoamboha Jean Louis omaly tao amin’ny radio ACEEM. « Mihemotra ny demokrasia eto Madagasikara, ka ilay teny filamatra nataon’ny filoha Ravalomanana milaza fa hanangana firenena vanona ao anatin’ny fahamarinana sy fanomezana hasiny ny firenena, no indro fa hitsakitsahin’ny hafa. Isan’io ny tery vay manta ataon’ny filohan’ny faritra sy ny sefo cisco ary ny lehiben’ny (…)
  • Goragora

    samedi 16 février 2008 | Naivo kely |  716 visites
    Lasa resabe any ivelany ankehitriny ny momba ilay zazavavy 11 taona niditra an-tsokosoko tao anaty fiaramanidina hiondrana tany ivelany. Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ve dia mbola ahitana toe-javatra tahaka izao ? Ny gazety iray atsy La Réunion « JIR » dia nilaza fa atao inona ireo fisavana maro be, izay manomboka eo am-pidirana, ka hatrany anaty fiaramanidina ? Tokony hipetraka foana, hoy ity gazety ity, ny ahiahy amin’ny mpandeha rehetra. Tao anatin’ny vanim-potoana nifanesy izay, (…)
  • Toamasina

    Miditra an-tsehatra ny Sinoa

    samedi 16 février 2008 | Naivo kely |  561 visites
    Malaza any amin’ny faritr’i Toamasina ny kitram-pokontany. Kitra izay heverina fa ahafahana mijery ifotony ireo tanora ahavita azy eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahan-tena eo amin’io taranja iray io. Omaly dia niditra an-tsehatra ny masoivoho Sinoa miasa eto amintsika nanolotra fitaovana toy ny fanamiana mahatratra 1400 isa mba ho fanampiana ny tanora amin’ity kitram-pokontany taom-pilalaovana 2008 ity. Nisolontena ny fitondram-panjakana nandray ity fanomezana ity ny ministry ny (…)
  • Delestazy

    Misento mangina ny vahoaka

    samedi 16 février 2008 | Naivo kely |  457 visites
    Vita omaly ny fandevenana ny delestazy teto Antananarivo sy ny manodidina. Notokanana omaly ilay fitaovana nafarana avy any ivelany hamongorana ny delestazy mahatratra 40 Mgw, ary ny filoha Ravalomanana mihitsy no nitokana izany. Izy ihany koa no nametraka ny vato fototra ny taona lasa iny. Mbola ampiana 50 Mgw, hoy izy, vao tena maharakotra ny faritra maro. Raha te-hatanjaka ny firenena dia mila angovo matanjaka, fa aza manantena ny handresy ny fahantrana raha tsy mipetraka io angovo io. (…)
  • Sisi-bola

    vendredi 15 février 2008 | Naivo kely |  641 visites
    Toa tsy malaza ny hirany raha vao tsy manao sisi-bola manao « matraquage » eny anivon’ny haino aman-jery ny mpanan-kanto. Isan’ny feo manelingelina ny sofin’ny maro ny mandre io fitarainana io. Fihetsika heverin’ny hafa ho kolikoly ny fidirana amin’io, saingy hita kosa fa mipetraka ara-dalàna eny anivon’ny haino aman-jery ny fandraisana izany vola izany. Diso ve ny fanaovana ity « matraquage » ity ? Isika rehetra no mamaly azy, fa raha ny hita aloha, dia tsy midika velively fa halaza ilay (…)
  • Famokarana

    Soa fa teo ny vahiny

    vendredi 15 février 2008 | Naivo kely |  365 visites
    Ho taonan’ny asa ity taona 2008 ity. Io no teny filamatra indray taorian’ny filazana fa hananganana ny rindrina taorian’ny fametrahana ny fototra. Nidina ifotony toy ny tany Toamasina ny fitondrana ka hatao ho renivohitry ny toe-karena ny faritry Toamasina. Namboarina ary ho tokanana tsy ho ela ny tsena sy ny làlana any amin’io faritra io, ary tsy ny mponina ao ihany no ahazo tombony, fa ny firenena manontolo, satria firenena iray isika. Tara ihany ny fanarenana ity faritra ity, kanefa aleo (…)
  • Fandraharahana

    Nomena vahana ny TIKO

    jeudi 14 février 2008 | Naivo kely |  1133 visites
    Gaga ny rehetra amin’izao fandalovan’ny filoha Zambianina eto Madagasikara izao, fa toa misy mizana mitanila amin’ny fitsidihana orin’asa izay ataony. Ny talata lasa teo, dia nitsidika ny seranan-tsambo tao Toamasina ity filoham-pirenena vahiny ity, ary isan’ny nentina nitsidika ny orinasa Tiko izy. Tsy misy maha-ratsy izany, satria manana anjara lehibe ny sehatra tahaka itony eo anivon’ny SADC. Ny mahagaga anefa dia mbola nentina nitsidika ny orinasa Tiko tany Antsirabe indray izy omaly (…)
  • Variana ny depiote

    mercredi 13 février 2008 | Naivo kely |  530 visites
    Mbola ao anatin’ny fialan-tsasatra tanteraka ireo depiote eny Tsimbazaza amin’izao vanim-potoana izao. Mandra-piandry ny fotoam-pivoriana voalohany ny volana mey ho avy izao nefa dia manana andraikitra goavana, dia ny fidinana eny anivon’ny vahoaka ireto depiote ireto. Amin’izany no anaovany ny tatitra amin’ny vahoaka isaky ny faritra naha-voafidy azy. Toa tsy handrenesam-peo anefa itony depiote itony amin’ny fanaovana io tatitra io, izay làlana iray ahafahan’ny vahoaka maneho ny hetahetany. (…)
  • Aza atao valalan’amboa

    mardi 12 février 2008 | Naivo kely |  737 visites
    Ny alakamisy ho avy izao no hankalazana ny fetin’ny mpifankatia na ny « Saint Valentin ». Kolontsaina vahiny nahazo vahana eto amintsika, na niniana nomena vahana mihitsy izy ity. Misy lafiny ratsy sy tsara hatrany ny zava-drehetra, ka izay tsy maharaka ny fomba any ivelany hono taraiky. Tsy te-ho gisitra isika, ka fanomanana io fetin’ny mpifankatia io no malaza amin’izao, izay hita taratra amin’ny lanonana maro isan-karazany etsy sy eroa. Tsara ny mifankatia noho ny mifankahala, kanefa ny (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}