Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Vonjeo fa potika ny tanàna

    lundi 11 février 2008 | Naivo kely |  699 visites
    Tsy hifaniliana na hifanome tsiny lava eto isika fa atombohy ny asa fa potika ny tanàna. Io no handrasan’ny vahoaka amin’ireo mpitantanana ny tanana eto Iarivo, raha mahita ny fahavoazan’ny làlana feno lavaka etsy sy eroa. Saika ahitana io lavaka io avokoa ny lalana rehetra eto andrenivohitra amin’izao, ka miteraka fimenomenomana eo amin’ny amin’ny mpampiasa ireny lalam-bahoaka sy fiara ireny. Fa nankaiza ny mpitondra hoy ny maro ? Tsy misy ny vola fa lanin’ny teo aloha hoy indray ny hafa. (…)
  • Politika :

    lundi 11 février 2008 | Naivo kely |  570 visites
    Maraniharisy : Akaiky ny farany « Tsy resy tsy miady izahay raha tsy mandray anjara amin’ny fifidianana izay ho mpanolon-tsaim-paritra ny 16 Mars izao. Iza no atao lasibatra amin’ny hala-bato lava izao ». Io no nambaran’ny depiote teo aloha Maranoharisy. Nisy ny fifanarahana nataon’ny mpanohitra rehetra ny tsy handraisana anjara amin’io fifidianana io, ka hoe hianjahanja eo ny mpitondra sy ny ekipany. Tany tsy misy demokrasia eto, noho izany tsy marisika mifidy ny vahoaka, saingy rehefa (…)
  • Aleo mangina

    samedi 9 février 2008 | Naivo kely |  571 visites
    Tsy taitra ny olona, ary ny kandida mpilatsaka aza toa tsy rototra. Fifidianana inona ity, ary inona no tena andraikitra ho raisina eo amin’ny fampandrosoana ? Ireo no heno ao ambavan’ny rehetra raha mandre ilay fifidianana izay ho atao amin’ny 16 martsa ho avy izao. Toa tsy latsa-paka ao an-tsain’ny be sy n’ny maro izy io, kanefa ny ny lalàmpanorenana no mametraka io ka tsy maintsy atao.Tsy rototra ny mpanohitra, ary manangam-bovona ny tsy mpandray anjara hoe mitongilana ny demokrasia eto (…)
  • Efa ela no karemy

    vendredi 8 février 2008 | Naivo kely |  782 visites
    Miditra amin’ny karemy ny mpino kristianina katôlika, ary ny silamo ihany koa dia efa manao izany fifadian-kanina izany, ho fanomezana hasina izay tompoany eo amin’ny sehatry ny finoana. Raha ity resaka karemy ity no jerena, dia fifadiana hena no atao, ary ny hafa moa dia ny tsy fihinanana hanina ny tontolo andro. Raha ny Malagasy manokana no jerena, dia efa ela no karemy, satria firy amin’ny Malagasy no mba afaka mihinan-kena isan’andro ? Na ranon-taolana aza tsy miditra ny vava, fa ny (…)
  • Feno fitaka ny tany

    jeudi 7 février 2008 | Naivo kely |  803 visites
    Gina indray ny maro raha nahita fa tsy isan’ny ho kandida natolotry ny antoko TIM teto andrenivohitra ilay ranamana mpikarakara tanora sady mitantana radio iray eto andrenivohitra. Fa nisy inona tao, hoy ny mpitazana ? Tsy hidirana lalina ny amin’io satria fomba eo amin’ny tontolo politika ny tahaka izao. Porofo iray mitohoka amin’ny rehetra, fa tsy mora ho an’ny antoko matanjaka eto amintsika intsony ny mijery olona mahatoky atolotr’izy ireo. Porofo tsy azo lavina ny mahita ny (…)
  • CROUA sy ny mpianatra

    Ho faizina ny tsy manara-dalàna

    jeudi 7 février 2008 | Naivo kely |  411 visites
    Ny alatsinainy teo no niravona ny disadisa teo amin’ny mpianatra sy ny CROUA. Hiarahana ny asa fanadiovana, ary tsy maintsy esorina amin’ny toerana izay olona milaza azy ho mpianatra nefa tsy ara-dalàna. Natsangana noho izany ny solontenan’ny mpianatra iray isam-paritra handrindra ny fahazoan’ny mpianatra trano fonenana, ary any amin’ny fikambananan’ny mpianatra no handinika io taratasy io. Ialana amin’ny mety hisian’ny kolikoly dia samy hanara-maso ny fomba fiasan’ireo solontena ireo ny (…)
  • Mpanolontsaim-paritra

    Tsy nahataitra ny maro

    mercredi 6 février 2008 | Naivo kely |  292 visites
    Nifarana omaly tamin’ny 5 ora hariva ny fametrahana ireo antotan-taratasy filatsahan-kofidiana izay ho mpanolontsaim-paritra eto Madagasikara. Raha ny teto andrenivohitra manokana, dia tsy nisy afa-tsy ny kandida TIM no nanatitra izany tamin’ny ora farany. Nisy ihany koa ny kandida manalasala iray izay nokilasian’ny maro ho tsy matotra satria na ny biletany aza tsy nisy fony ity vehivahy ity nilatsaka ho ben’ny tanàna teto andrenivohitra farany teo. Toerana dimy no hiadiana raha ny eto (…)
  • Tokantrano tsy ahahaka

    mardi 5 février 2008 | Naivo kely |  712 visites
    Ao anatin’ny ady atao amin’ny parasy isika eto Madagasikara, raha ny tatitra heno, dia efa vita ny ady ankehitriny, fa ny fanentanana ny olona mba hadio sisa no mbola atao. Aretina faran’izay mahamenatra ity « parasy lafrika » ity, satria biby kely maharikoriko, nefa dia saika nahazo laka tany amin’ny faritry Toamasina I sy faha II iny. Fahavoretrana noho tsy fisian’ny fahadiovana, hoy ny maro no mahatonga izao, nefa tsy azo lavina fa eo ny fahantrana. Saika ireo olona sahirana avokoa no (…)
  • Ben’ny tanàna eto Iarivo

    Mpanao politika iza no hihaona aminy ao Paris ?

    mardi 5 février 2008 | Naivo kely |  1848 visites
    Anio no fantatra fa hiainga ho any La Frantsa ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Andry Rajoelina. Fivoahana fanindroany teto Madagasikara taorian’ny naha-lany azy hitondra ny tanàna eto an-drenivohitra, ary fanasana nataon’ny mpandraharaha any amin’io firenena iray io. Voalaza fa hisy mpitondra fanjakana ambony any Frantsa vonona ny hiara-miasa amintsika ka antony iray hiazoany any Paris izany. Raha ny fantatra dia maro amin’ireo Malagasy mpiray tanindrazana no maniry hiaona amin’ity TGV ity, (…)
  • Mbola voafitaka ny mpanao gazety

    lundi 4 février 2008 | Naivo kely |  927 visites
    Na dia efa nambara ombieny aza fa miandry ny lalàna avoakan’ny ministera ny mpanao gazety hanatanterahiny ny fifidianana izay ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety sy ireo birao miaraka aminy, dia mbola nisy ihany ny voafitaka ny sabotsy lasa teo. Nahitana mpanao gazety ampolony maro tokoa tonga teny amin’ny tranombokim-pirenena ny sabotsy teo, ary samy gaga ny rehetra nahita azy. « Fa misy inona ato no feno mpanao gazety ? » Teo ny rehetra vao samy nahalala fa saika hifidy ny filoha (…)
  • IMMR

    Nitsangana tamin’ny maty

    samedi 2 février 2008 | Naivo kely |  893 visites
    Aina ity, hoy Rainimanonja, ka aleo atambatra haingana ny hery. Ny tsy hisian’ny faty antoka momba ny fifidianana izay hatrehantsika atsy ho atsy no antony. Io no hita taratra amin’ireo manohana ny filoha amperin’asa nandritra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena farany teo ireny, dia ny IMMR izany. Atambatra ny hery, ary ho jerena izay hifanarahana sy hifanohanana manoloana ny fifidianana izay ho atao atsy ho atsy, ka hifandrombonanan’ny Teza, TIM, AMF/3FM, ary ny Arema matotra. Mandady (…)
  • Botozaza Pierrot

    DG sa depiote ?

    samedi 2 février 2008 | Naivo kely |  460 visites
    Volana telo izay no nandraisan’ireo depiote ny asa amin’ny maha-solombavam-bahoaka azy izay mahatratra 127 manerana an’i Madagasikara. Ny andraikitry ny olom-boafidy tahaka izao, dia sarahina tanteraka amin’ny asa hafa, ankoatry ny asa fampianarana, ary mazava ho azy fa nisy ireo nametram-pialana noho ny fanendrena azy ireo ho ministra. Nanaja ny fitsipika avokoa ny ankamaroan’ny depiote rehetra, kanefa mbola misy ireo mitazona ny andraikiny teo aloha toan’i DG eo anivon’ny seranatsambon’i (…)
  • Mandroso mihemotra

    vendredi 1er février 2008 | Naivo kely |  725 visites
    Ny hanongotsongoana ny maty hono tahotry ny handevim-belona, ary ny hanairana ny sain'ny mpitondra henatry ny hanan-dratsy. Manomboka simba ny fototrafitr'asa eto andrenivohitra sy ny manodidinana izay heverina fa nandaniam-bola betsaka ny nentina nanaovana izany. Isan'io ny làlana izay miverina ny lavadavaka isan-karazany, izay hambara fa ny làlana no làlan-dra mampiodina ny toe-karena, ary hitarafana ny fandrosoan'ny faritra iray. Niesisesy ny orana tao ho ao, ka tsy mahagaga raha potika (…)
  • Tsy mahagaga raha potika

    jeudi 31 janvier 2008 | Naivo kely |  648 visites
    Nandalo ny indray ny rivo-doza ka lasibatra tamin’io ny tranom-panjakana maro isan-karazany, indrindra fa ny any amin’ny faritany. Potika satria toa tsy misy fikarakarana izy ireny, izay hita ny ankamaroany fa asa vita fony andron’l Dadabe Tsiranana, ary izay mpitondra rehetra nandalo amin’izy ireny, dia mipetraka avy hatrany fa tsy mba nisy ny fandraisana anjara amin’ny fanatsarana izany satria tranom-panjakana tokoa fa tsy an’ny tena. Tsy ny tranon’olona ambony misaha asam-panjakana ihany (…)
  • Fiaran’ny depiote

    Nahoana no tsy « plaque rouge » ?

    jeudi 31 janvier 2008 | Naivo kely |  875 visites
    Samy gaga ny rehetra raha nandre fa nahazo fiara tsy mataho-dàlana indray ny depiote vaovao etsy Tsimbazaza, na dia efa navoakan’ny filan-kevitry ny Governemanta aza fa tsy ahazo io tombontsoa iray intsony izay depiote lany eo, kanefa dia ny mifanohitra amin’izany no hita. Ny mampalahelo ny depiote hafa fotsiny, dia izay tsy TIM dia mbola tsy nahazo hatramin’izao, afa-tsy depiote iray, dia i Hary Kalizy izany. Raha ny fantatra dia tsy ho fananan’ny depiote itony fiara nomena hiasany itony fa (…)
  • Nankaiza i Hery Rafalimanana ?

    mercredi 30 janvier 2008 | Naivo kely |  1627 visites
    Iray volana mahery izay no tsy nahitana intsony an’i Hery Rafalimanana izay PDS teto amin’ny kaomina Antananarivo renivohitra. Ninia nangina sa nampanginina ? Io no fanontaniana mipetraka amin’ny rehetra, taorian’ireny fifidianana natao teto Madagasikara ireny, izay heverina fa tsy tokony ahamenatra raha ny asa vita napetrany tao anatin’ny valo volana nitondrana ity renivohitra ireny. Tsy re firy intsony ity PDS izay nanana ny fomba fiasany nampiavaka ny renivohitra, satria iza no tsy niaky (…)
  • Tsipaky ny miala aina

    mardi 29 janvier 2008 | Naivo kely |  1102 visites
    Manongo tena ny ankamaroan’ny maro raha mahita ny fihetsiky ny loholona sasany amin’izao ankatoky ny fidiran’ny loholona vaovao handimby azy ireo izao. Mahamenatra satria izao ry zareo vao mba mitaky ny handravana ity andrim-panjakana iray ity, satria toa zary ankila-bao hono ny hevitra rehetra izay avoakan’izy ireo, ary isan’ny hitakian-dry zalahy ny handravana azy io ny fanemorana ny laharan’ity andrim-panjakana ity eo amin’ny laharan’ny aro-fenitra. Tsy takona afenina amin’ny rehetra fa (…)
  • Hanao ahoana ny Air Madagascar ?

    lundi 28 janvier 2008 | Naivo kely |  2205 visites
    Orinasa Malagasy heverina fa hiarin-doha rehefa nomena notantanin’ny vahiny ny Air Madagascar, kanefa anjaran’ny maro no mitsara na misy tombony io ankehitriny na maty antoka. Miahiahy amin’ny mety ho avin’ity orinasa ity avokoa ny ankamaroan’ny rehetra, satria ho tapitra ny volana aprily ho avy izao ny fanofana ny boeing 767, ary mazava ho azy fa hiroso amin’ny fifanarahana vaovao indray izany isika. Raha ny fantatra anefa dia mety ho avo roa heny amin’ny fanofana azy ankehitriny ny hofany (…)
  • Nahay lesona i Miarinarivo

    Mitaky ny hanaovana fampitahana PV

    samedi 26 janvier 2008 | Naivo kely |  425 visites
    Fanodikodinana ny safidim-bahoaka tsotra no miseho aty aminay tao Anosibe Ifanja sy Sarobaratra ao anatin’ny distrikan’i Miarinarivo nandritra ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna farany teo. Ny ankamaroan’ny birao fandatsaham-bato dia nitarika ny kandida Josoa Maminiafiana, saingy rehefa tonga taty amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana, dia lasa ny TIM indray no nandresy. Ny fikambanana « Ny hoavinao » indray no resy. Rehefa nampitahana avokoa ny vokatra teo am-pelan-tanana (…)
  • Vao manomboka dia loza

    vendredi 25 janvier 2008 | Naivo kely |  724 visites
    Hamarana ny volana Janoary tsy ho ela isika izay volana azo hitarafana fahavononana ho an’ny firenena eo amin’ny lafiny fahasalamana, na biby fiompy izany indrindra moa fa ny olona. Vao manomboka dia loza no hita raha raisina teo amin’ny fahavoazana nanjo ny mponina mpiompy omby ka nahafatesana ity maro vokatry ny dinta sy ny kongona. Maro ny fatiantoka ho an’ny tantsaha mpiompy manoloana izany, satria tsy maintsy alevina avy hatrany ireto biby ireto. Toy izany koa ireo osy nafaran’ny (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}