Articles écrits par « Naivo kely »
-
Sahiran-tsaina ny mpanao gazety Malagasy raha mandinika ny mety ho endriky ny fifidianana izay ho biraon’ny-holafitra vaovao eto Madagasikara amin’izao . Tsy hita ny tena marina satria tsy mbola voafaritra mazava ireo hikarakara sy ny tena daty marina hanaovana izany, ka mampiroroha saina ny rehetra. Voalaza fa ny datin’ny 2 febroary izao no hanaovana ity hetsika ity, saingy ny fotoana mandeha, ary efa andro vitsy sisa dia higadona io daty dia mbola tsy hita veroka ny mety ho endriky ny (…)
-
mercredi 23 janvier 2008 |
Naivo kely
| 1351 visites
Iray volana teo ho eo izao no nandraisan’ny ben’ny tanana Andry Rajoelina ny fitantanana ny tanàna teto Iarivo, ary mbola ao anatin’ny fandaminana tanteraka ny olona afaka hiara-miasa aminy ity ben’ny tanàna ity hatramin’izao. Mbola fitarainana ihany koa aloha hatramin’izao no heno amin’ny tsy fisian’ny vola afahana miasa, sy ny hambara ho sakatsakana eo amin’ny lafiny maro samy hafa, ka mbola manarina ireny lesoka ireny no atao. Ny vahoaka anefa tsy mijery izany, fa matoa nampiakariny teo (…)
-
Fandaharana nofohanana
mercredi 23 janvier 2008 |
Naivo kely
| 1203 visites
Omaly no nanambaran’ny arsevekan’Antananarivo Odon Marie Razanakolonona, ny alahelony momba ny fanafoanana ny fandaharana « karajia » tao amin’ny RDB. Nolazainy tamin’izany fa radio isan’ny mpanabe ny RDB ary isan’io ity fandaharana karajia ity. Ireo olona miditra mivantana ao dia isan’ireo beazina, ary tokony hisy ny fampitandremana mialohan’ny fotoana vao nofoanana izy io. Toa antsojay atao amin’ny katolika ny toy izao, satria efa nisy ihany koa ny tsy fanomezan’ny TVM azy ireo raha nanao (…)
-
Rehefa tratrin’ny ankivy ara-politika nandritra ny taona maro ny tao Toamasina, dia mihazakazaka kosa ny fampandrosoana atao any amin’io faritra io ankehitriny. Ho vitaina ny làlana ao an-tampon-tanana, ho esorina ny fako, ary hamboarina ny lapan’ny tanàna. Toy izany ny seranan-tsambo izay heverina fa ho isan’ny lehibe indrindra aty amin’ny ranomasim-be Indiana. « Ho renivohitry ny ara-toekarena i Toamasina », hoy ny filoha Ravalomanana, ary nihazakazahan’ny mpitondra fanjakana tao anatin’ny (…)
-
Radio Don Bosco
Nofoanan’ny minisiteran’ny fifandraisana ny fandaharana « Karajia » ao amin’ny radio Don Bosco izay mandeha manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina hatramin’ny 9 ora latsaka fahefany eo ho eo. Araka ny vaovao nampitain’ny talen’ity radio tsy miankina amin’ny fanjakana ity dia tamin’ny alakamisy hariva no tonga ny taratasy nandidy ny fampiatoana ity fandaharana «Karajia» ity ka nanomboka omaly zoma dia tsy afaka nandefa io intsony ny tompon’andraikitra. Noho ny antso an-tariby nataon’ny (…)
-
vendredi 18 janvier 2008 |
Naivo kely
| 732 visites
Sempotra tanteraka ny ankamaroan’ny tokatrano Malagasy amin’izao, mahita ny fihazakazaky ny sondrom-bidim-piainana, indrindra taorian’ireny fiakaran’ny vidin’ny solika teto amintsika ireny. Tsy nahita fahasarotana tahaka izao hoy ny mpitazana, eny fa na dia tamin’ny taona 2002 izay nahatratra hatrany amin’ny 6000 ariary ny vidin’ny solika tamin’izany, kanefa tsy tafakatra toy izao ny kilaom-bary sy ny hena. Ny saran-dàlana anefa dia niakatra raha ny ivelan’Antanananarivo no asian-teny. (…)
-
Lehiben’ny faritra
vendredi 18 janvier 2008 |
Naivo kely
| 404 visites
Nandritra ny filankevitry ministry voalohany teo no nilazan’ny filoham-pirenena fa ho soloiny izay tsy mahavita azy, ary ho hita eo izay faritra tratra aoriana. Mazava ho azy fa olona tsy mahavita ve mbola hampetraka amin’ny toerany nefa ny asa ilain’ny vahoaka isaky ny faritra maika. Raha atao indray mijery io, dia toa toerana fianarana asa ny tahaka izany, satria angaha tsy fantatra amin’ny fahaizany mialoha ireny olona ireny ? Tsaroan-tsika tsara fa nisy mihitsy tany aloha tany ny (…)
-
mercredi 16 janvier 2008 |
Naivo kely
| 717 visites
Filamatry ny firenena Malagasy ny hitovy amin’ireo tany mandroso any ivelany, ary rah a ny tsapa dia na ny fomba firesaka amin’ny raharaham-panjakana aza, dia moa va tsy ireny firenena matanjaka ireny no ambetin-dresaka. Ny soa fianatra, ary firenena izy no tsy haniry ny hilahatra amin’ny ngeza. Ny mampalahelo anefa dia misy azo hampiharina eto, ary misy tsy azo atao. Raha mahita ireny fifidianana any ivelany ireny ny maro dia manjaka tokoa ny ady hevitra politika volana maro mialohan’ny (…)
-
Tao anatin’ny 30 taona teo ho eo, no nandrenesana fa ny 85% ny Malagasy dia tantsaha avokoa, ary miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka io tantsaha io. Mitombina tokoa izany, raha mahita ny fari-piainan’izy ireo, satria ny tombon’ny fambolena mamelona antsika Malagasy tsy vaky volo indray no tena fadiranovana. Raha ny vidim-bokatra dia mazana tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy no handraisan’ireo mpijirika izany eny ifotony, koa tsy mahagaga raha mbola miaina ao anatin’ny fahantrana (…)
-
Depiote Andriamaholison
« Maizina ny lanitra hitan’ny tanora, satria maro no tsy an’asa, ary miakatra sy tena midangana ny vidim-piainana, io no hitan’ny tanora ankehitriny ka nahatonga azy ireo hifidy TGV teto andrenivohitra ». Io no nambaran’ny depiote voafidy tao amin’ny boriborin-tany voalohany eto andrenivohitra tao amin’ny Aceem radio ny alahady teo. Tsy hitan’ny tanora ny ezaka ataon’ny fanjakana toy ny fahatokisan’ny mpamatsy vola ivelany, sy ireo fotodrafitr’asa isan-karazany vita teto, fa nosaronan’ireo (…)
-
Fitantanana ny kaominina
Mila olom-baovao tanora vonona hanarina ny tanàna eto andrenivohitra ny maro, ka dia nirohotra nanome ny vatony 63% ho an’i Andry Rajoelina na Andry TGV hoy ny maro, satria io no afaka hanao izany. Nirohotra avokoa ny ankamaroan’ny tanora rehetra, satria tanora vonona i Andry TGV izay hanome fomba fiasa vaovao eto amin’ny tanàna.Gaga anefa ny maro raha nahita ny olona hiara-hiasa amin’ity Andry TGV ity amin’izao izy lany ben’ny tanàna izao, satria toa tsy misy olom-baovao ireto manodidina (…)
-
Manoloana ny hasarotry ny fiainana ankehitriny, moa mbola hisy sahy hanohitra ny fanjakana ihany ve ireo mpanao politika izay hita fa nahery fomba fiteny tamin’ny fitondrana ankehitriny ? Io fanontaniana io no hisarihana ny sain’ny maro fa tsy hipetraka ao aminao intsony ny tena foto-kevitra rehefa tsy misy ny vola ho entina mihetsika. Fantatra mantsy fa hiverina hiasa eny anivon’ny ministeram-panjakana ny depiote mpanohitra maro rehefa tsy tafita intsony teo amin’ny fifidianana izay (…)
-
Gaga ny rehetra raha mahita ireto mpitondra fanjakana izay noesorina amin’ny toerany, izay mamela trosa hatrany rehefa mandao ny toerany, nefa fony izy ireo nitondra toa manambara fa mizotra hatrany ny asa fampandrosoana ka zary lavitr’izany trosa izany. Firy tamin’ireo mpitondra vao niala tamin’ny toerany izao no nahitana lavaka be rehefa nanao ny famindram-pahefana izy ireo. Matoa aloha noesorina na nosoloina dia hitan’ny filoham-pirenena fa tsy nahomby. Ny mahagaga anefa toa izay mandalo (…)
-
Ministra Radavidson
Omaly tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina no mbola nanamafisan’ny ministry ny fanabezana sy ny fikarohana ara-tsiansa Radavidson Andriamparany Benjamin, fa aoka hipetraka ny resaka politika eo amin’ny sehatry ny fanabeazana fa andeha ny fanabeazana ho an’ny ankizy sy ny tanora no hobanjinina. Hatreo ihany tamin’ireo kabary lava be nataony momba io no raisinay, ka hoy izahay hoe hofoanana ve izany ny TIM fanabeazana izay toa mahazo laka eo amin’ity (…)
-
Raha ny kabary tsara lahatra dia haintsika Malagasy fa raha ny hitan’ny maso kosa dia toa ny mifanohitra amin’io no hita. Izay no zava-misy tsy azo lavina raha haka ohatra akaiky etsy Andralanitra ny lahatsoratra androany. Hianaka tsy ho ela eny amin’io faritra io sy ny manodidina ny valan’aretina kolera (« choléra ») raha izao no mitohy, noho ny hafitsoky ny lalitra mitondra otrik’aretina goavana ho an’ireo vahoaka monina eny sy ny manodidina. Toa tsy misy handrenesam-peo ny mety hisorohana (…)
-
mercredi 9 janvier 2008 |
Naivo kely
| 942 visites
Enin-taona lasa izay no nitadiavan’ny Malagasy tsy vaky volo fiovana teto amin’ny tany sy ny fanjakana, ka dia nahita na ny soa na ny ratsy. Ny soa aloha no andeha tanisaina satria dia nahita io fiovana isika rehetra. Vita ny làlana mampitohy ny faritra maro tany amin’ny faritany, toy ny tany amin’ny faritry SAVA.
Teo ihany koa ny fahavitan’ny làlana teny an-tampon’Ihorombe izay tsy vita hatramin’izay. Ny lalana tetsy Anosibe sy ny tsena maro ary ny fiantsonan’ny fiara mpitatitra olona. (…)
-
Vao manomboka ny taona, dia nahazo fanomezana hafahafa ny vahoaka Malagasy. Tsy inona io fanomezana io, fa ny fiakaran’ny vidin’ny solika eto amintsika. Ekena fa mizaka io avokoa ny firenena maro eran-tany noho ny fiakaran’ny barila ho 100 dolara, kanefa inona kosa no mba aro-riaka hapetraka ho an’ny isan-tokantrano ? Ny vidim-piainana dia tsy maintsy mbola hitombo aorian’izao fiakarana izao, kanefa azo atao tsara ny misoroka fanararaotana maro isan-karazany izay miainga amintsika mianakavy (…)
-
Kaominina sy ny Jirama
Tsy misy tsy vitan’ny fifanatonana tokoa ny zava-drehetra, ary porofon’izany ny naha-voavaha ny olana teo amin’ny Jirama sy ny kaominin’Antananarivo renivohitra. Naverin’i Jirama amin’ny laoniny ny rano teny amin’ny paompy sy teny anivon’ny sekolim-panjakana izay notapahiny, ary ireo andrin-jiro manazava ny làlana rehetra ihany koa dia nahazo hazavana indray ankehitriny. Io no vokatra tsara nataon’ny tompon’andraikitry ny kaominina sy ny teo anivon’ny Jirama omaly. Misy ny vola mifampiditra (…)
-
Vao manomboka ny taona dia efa zava-doza no miandry ny mponina eto an-drenivohitra amin’ny fanampahan-kevitra noraisin’ny Jirama nanapaka ny rano sy ny jiro amin’ireo toeram-panjakana rehetra tsy nahefa izany, ka isan’io ny paompim-panjakana sy ny sekolim-panjakana eto amin’ny tanàna. Tsy hitanisa ny taona sy ny volana voalaza fa nandoavana izany vola izany izahay fa ny voalaza dia efa nandefa taratasy fampilazana mialoha ny Jirama ho fitakiana io vola io. Ho an’ny mpandinika dia hizaka ny (…)
-
Omby vavy be ronono
Mifantoka any amin’ilay fanafarana osy 3 500 avy atsy Australia indray ny sain’ny mpitazana, izay hanome taranaka tsara ny osy izay efa misy eto, ary koa ny volony atao tapis sy ny ronono azo avy aminy. Tsy maha-taitra ny maro io osy io, satria niarahan’ny rehetra nahita ny fanafarana ireo omby vavy be ronono taona maro lasa izay, ka nambara fa hitondra tombony ho antsika io na lafiny ronono na ihany koa ny henany sy ny taranany. Tsy mbola nandre ny maro fa nigoka tombony be tamin’io ireo (…)