Articles écrits par « Naivo kely »
-
Herizo Razafimahaleo
« Fanjakan’olon-tokana no hita eto, ary tsy azo lavina izany. Porofo mitohoka amin’ny rehetra ny faniliana ireo mpiara-miasa amin’ny filoha rehetra izay akaiky azy indrindra. Voatonona tao ny anaran’ingahy Didier Rakotoarisoa, ny mpiambina azy noroahina haingana hiala teto Madagasikara, ny Praiministra lefitra Zazah Ramandimbiarisoa, David Rajaona izay any am-ponja ankehitriny sns....» Tao amin’ny fahitalavitra TV Plus ny zoma alina teo no nilazan’ingahy Herizo Razafimahaleo izany.
« (…)
-
Rehefa tsy vokin'ny vary dia apemba indray no hanina. Toa nahazo sehatra teo anivon'ny fiaraha-monina indray tao ho ao ny filazana fa azo asolo ny vary ny apemba. Ho foton-tsakafo ho antsika Malagasy mihitsy no tanjona amin'izany. Nandritra ny fiotazana ny apemba novolena teny Iavoloha ny alarobia teo no niampitan'ny hafatra tany antsain'ny vahoaka. Be otrikaina, ary mahavelona izy ity, ary afaka hambolena azy io tsara ny faritra maro eto Madagasikara. Telo volana dia efa mioty.
Efa ela no (…)
-
Navoakan’ny HCC ny vokatra
Tsy azo raisina, satria tsy hita fototra. Io no setrin'ny fitoriana nataon'ireo kandida tsy miankina nifanandrina tamin'ny antoko TIM manerana ny faritany.
Ny fitondrana mpifidy vaventy tany amin'ny hotely nampihinanana sakafo, sy notambazana moto, ary vola sy poketra ambehivavy no anton'ny fitoriana. Niseho izany tany Manakara sy ny faritra hafa ary nisy mihitsy ny kandida hafa niantso ny BIANCO, satria endrika kolikoly fividianana ny vaton'ny mpifidy izany.
Tsy niova tamin'ny (…)
-
Tolon’ny mpiasa
« Tsy kivy fa ny tolona tsy maintsy vita ». Io no nambaran’ny fikambanan’ny mpiasa mivondrona anaty sendika momba ny daty malaza ny voalohan’ny volana mey izao.
Tsy nomena ny mpiasa ny kianja mitafon’i Mahamasina. Ny antony tsy fantatra. Nangataka ny kianja eny Alarobia indray ary mbola tsy nomena io toerana io ihany. Ny tranom-pokonolona Isotry, Malacam Antanimena, ny tetsy amin’ny Esca, dia saika nolavina avokoa.
Nambaran’ingahy Rabemananjara Paul, sekretera jeneraly ao amin’ny Fisemare, (…)
-
Antsiranana
« Fanimbana ny taranakay izao fandefasana azy ireo any an-drenivohitra izao ». Izay feo izay no heno niverimberina tamin’ireo ray aman-dreny manana ny zanaka naniha nalefa aty Antananarivo, ka migadra etsy Antanimora sy eny Anjanamasina.
« Tsy fantatra intsony izay mety hiafaran’ny taranakay, indrindra eo amin’ny fahasalamany sy ny sakafo ho haniny. Nahoana no tsy aty amin’ny faritra nihaviany no hitazomana azy fa any amin’ny tany lavitra anay fianakaviany any ? » Noho ireo dia hidina (…)
-
Tsy hisy aharobaka izay eo am-pelatanako. Teny mamy ao anatin'ny soratra masina io, ary andeha hindramina kely momba ny fiainam-pirenena ankehitriny.
Feno ny fahefana rehetra ahafahana mamita haingana ireo tetikasa kasain'ny fitondrana atao. Mahalala ny mahasoa ny vahoaka aho, ary tsy hijery afa-tsy ny ahasoa azy. Teny mamy tsara tsy ho adino koa izany. Mbola misy teny mamy ihany koa anefa taona maro lasa izay, raha vao nandray fahefana ny filoha Ravalomanana. Ao anatin'ny enim-bolana dia (…)
-
Entana vita gasy
Valalan'amboa ka isika tompony indray no tsy tia. Hita taratra io amin'ny fiainan'ny mponina andavan'andro. Toa mahamenatra mihitsy ny mitondra ny zava-bita Malagasy. Maro ny orinasantsika eto an-toerana izay mamokatra entana maro. Ao ny lamba, savony, akanjo fitaovana maro mampiodina fiara. Tsy diso anjara amin'izany ny kolontsaina Malagasy sy ny asa-tànana.
• Marika vahiny
Raha idirana ny eo amin'ny lafiny fitafiana, dia saika mameno faritra maro ny orinasa afaka haba. Pataloha sy ny (…)
-
Resaka an-dàlam-be indray ny anaran'olona mety handravaka ny Governemanta atsy ho atsy. Tombana avokoa ho an'ireo izay mba manana hevitra sy mpanao fanadihadiana politika rehetra izany. Liana ny maro, satria tsy ny olona handray ny fahefana no mahaliana fa ireo voahaisotra amin'ny toerany.
Tsy ho takona afenina amin'ny filoham-pirenena anefa ireo tena nahavita ny andraikitra nankinina taminy. Andraikitra izay mifanitsy amin'ny filan'ny firenena, fa tsy sanatria ho amin'ny tombontsoa (…)
-
Hifantoka kely any amin’ny kolontsaina Malagasy ny lahatsoratra anio. Kolontsaina izay mitady ho very noho ny fitobaky ny kolontsaina vahiny be loatra eto amintsika. Zary diso tsara toerana be loatra eto ny haren-tsaina vahiny. Vokatry ny fanatontoloana miha-mahazo vahana eran-tany io. Tsy dia ratsy loatra ny manaraka sy mandinika ny an’ny hafa, fa ny fanariana ny soa-toavina maha-malagasy no mampalahelo.
Raha eo amin’ireny hira nataon’ireo zoky raiamandreny tany aloha, toa tsy tazana (…)
-
Fanendrena loholona
Vita ny fifidianana loholona. Nanjaka ny antokon’ny fitondrana dia ny TIM izany. Nifanome ny vatony ho an’io antoko io avokoa ireo mpifidy vaventy avy amin’ny fikambanana samy hafa, ka maro no nahitana 100% ny vokatra azo.
Faharesen-dahatry ny mpifidy vaventy sa tahotry ny mety ho ankivy amin’ny kaominina tsy miray tendro amin’ny fitondrana no nahitana ireny 100% ireny ? Maro ireo ben’ny tanàna tratra antso an-tariby izay nanambara, fa aoka aloha izay ny ady lahy politika fa ny asa (…)
-
Vita indray aloha iny ny fifidianana izay ho loholona isaky ny faritra. Nanjaka ny antoko matanjaka, ary ho azo antoka fa hiainga avy amin’io ny ho filohan’io andrim-panjakana io.
Samy nanana ny fomba fijeriny ny fampielezan-kevitra ny maro, izay nisian’ny fanankianana maro momba ny fanibohana ny mpifidy vaventy amin’ny toerana iray, ary vokisana sakafo sy omena tombontsoa isan-karazany, mba ho azo antoka fa tena tsy hisy hivadika amin’ny ora farany.
Midika io fa tsy azo nataon’ireo (…)
-
Tapitra anio ny fampielezan-kevitra ho an’ireo kandida ho loholon’ny faritra eto Madagasikara. Hiroso amin’ny latsa-bato ny mpifidy vaventy rahampitso alahady. Miandry izay ho loholona vaovao ny rehetra.
Tsy dia hisy fahagagana firy, raha ny olona hiakatra etsy amin’ny lapan’Anosikely no jerena. Tsy maintsy ho maro an’isa ao TIM, satria saika olon’izy ireo no handatsa-bato rahampitso. Midika izany fa ny isam-bato sisa isaina. Ny endriky ny filoha hipetraka ao dia efa resabe mandeha ny momba (…)
-
Fitorian’ny mpiasa BFV-BTM
Tomefy mpiasa tao amin’ny BTM sy BFV teo aloha tetsy amin’ny fitsarana omaly. Niandry ny vokatry ny fitsarana tamin’ny fitorian’izy ireo ireo olona nanodikodina ny vola tokony ho an’ny mpiasa niala an-tsitra-po tao amin’ireo banky ireo.
Nahemotra amin’ny 16 Mey indray ny didy momba ity raharaha ity. Ny mpiasa « déflatés » teo anivon’ny BFV sy BTM ireo, dia miantso ny mpiasa rehetra mba hiara-hitaky ny rariny amin’ny fanomezana ny anjara-volan’izy ireo. Ar 20 tapitrisa isan’olona no (…)
-
vendredi 18 avril 2008 |
Naivo kely
| 1717 visites
Tonga i Rossy, faly ny mpankafy azy. Tsy tonga hamendrofendro fa hitondra aina vao ho an’ny mozika Malagasy. Mpanakanto tsy zoviana amin’ny maro, ary volana maro lasa izay dia nandalo teto an-tanindrazana ny lehilahy rehefa nanambara fa nikaroka teo amin’ny tontolon’ny mozika nandritra ny taona maro tany ivelany.
Mpanakanto nanao politika ihany koa ny tenany, nefa dia nanambara fa hatao an-tsisitosy ny politika fa ny zava-kanto no ho trandrahina manomboka izao. Diso hevitra izany aloha (…)
-
Hetsiky ny mpianatra
Voaantso tetsy amin’ny tobin’ny zandary Fiadanana i Mamy Jo ny alarobia lasa teo. Tsy niatrika ny fian tsoana azy nefa ity farany satria tsy ny anarany manontolo no hita tao anatin’io fiantsoan’ny zandary etsy Fiadanana io. Momba ny fanetsiketsehana ny mpianatra izay niseho andro vitsy lasa no votoatin’ny fiantsoana.
Mamy Jo dia filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny anivon’ny ambaratonga ambony antsoina hoe JERM « Jeunes Etudiants de Madagascar ». « Olona mahalala lalàna aho ka tsy (…)
-
Rehefa mahay mifanakalo hevitra, dia miravona ny olana rehetra. Io no azo hilazana ny fiavian’i Rossy eto an-tanindrazana afaka andro vitsy monja. Taorian’ny resabe nandeha tetsy sy teroa ireny, dia efa samy maneho ny heviny ny filoham-pirenena sy ny ministra mpiahy ny kolontsaina fa tsy manana olana amin’i Rossy izy ireo. Nihazo ny masoivon-tsika ao Frantsa ity mpanakanto ity, ary dia hitodi-doha eto Madagasikara hanatontosa ireo fampisehoana kasainy ho atao rehetra amin’ity taona ity (…)
-
Hentitra i dada nibedy ny zaza maditra rehefa tonga avy niasa avy any ivelany izy. Nipirina niaraka ny vava ny rehetra. Hay rehefa ampitahorina, hoy ny mpitazana mahay mifitsaka ihany.
Io no fanehoan-kevitra heno teny rehetra teny, rehefa nahita ny filoha Ravalomanana hentitra amin'ireo minia ny hanakorotana ny tany sy ny firenena. Niaraka ny vava, dia tsy nahitana mpanao politika intsony nilaza hidina teny amin'ny 13 mey. Ny mpitandro ny filaminana ihany koa mba naka aina kely satria (…)
-
Tsy mifampatoky intsony ny samy Malagasy. Miainga any amin’ny sehatra madinika indrindra ka hatrany amin’ny vaventy. Hita taratra io eo amin’ny mpanao politika mpanohitra na mpitondra fanjakana.
Niarahana nahita ireny fisamborana manamboninahitra ireny. Ny zava-misy ao anaty Governemanta, ary misy mihitsy ny feo miparitaka etsy sy eroa fa misy minisitra ho samborina ato ho ato? Ny samy mpitondra izany, dia efa tsy mipetraka intsony ny tena fifampitokisana satria ny ahiahy tsy hiavanana. (…)
-
Razakarimanana Ferdinand
« Omeo sehatra malalaka ny vahoaka ahafahany maneho ny alahelony. Io fihetsiky ingahy Lecacheur midina an-dàlambe io, dia fitondrana ny feon’ny vahoaka leon’ny zava-misy ankehitriny ». Isan’ny fanehoan-kevitry ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand io raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy omaly alahady.
Miantso fifampidinihana haingana ity Jeneraly misotro ronono ity, satria efa an-dohalika ny ranom-bary. Na amin’ny vahoaka io na ihany koa amin’ny mpanao politika satria tsy tokony hitompo (…)
-
Miha-maizina ny lanitra eo amin'ny sehatry ny politika eto Madagasikara. Maha-tsinjo izany ny mpitondra fanjakana, ary miditra eo amin'ny fisakanana ny afo tsy hidodaka.
Mahatsapa ny rehetra fa pitik'afo dia hampipoaka ny vaja. Tsy azo tsinotsiniavina ny fitarihan'ingahy Henri Lecacheur vahoaka teny amin'ny kianjan'ny 13 mey roa andro izay. Matoa nosakanana, dia atahorana izay, na dia eo amin'ny sehatry ny fandriam-pahalemana fotsiny aza.
Misy hifandraisany amin'ny fanakanana an'i Rossy (…)