Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Be ny vokatra fa ny amidy no tsy misy

    mercredi 28 mai 2008 | Naivo kely |  577 visites
    Mitobaka eny an-tsena ankehitriny ny sakafo maro samy hafa. Hita ho nisy fidinany kely ny vidim-bary na dia ao anatin'ny fotoanan'ny maitso ahitra aza isika izao. Diso ny heritreritra raha hilaza fa hisy mosary eto, satria ny sakafo rehetra, dia vokatra eto Madagasikara. Ny mampalahelo anefa dia ny ho enti-manana no tsy ampy. Zara raha mahavita andro vitsy ny karaman'ny mpiasa Malagasy. Ny fitrosana no zary mahazo sehatra eny amin'ny fiainam-bahoaka. Tsy maintsy ahitana karne kely avokoa ny (…)
  • Fitsarana mpanao politika

    Nisesisesy tao anatin’ny volana vitsy

    mardi 27 mai 2008 | Naivo kely |  500 visites
    Mipoitra tsikelikely eny anivon’ny fitsarana ny raharaha masahana ireo mpanao politika eto amintsika. Niainga tamin’ny raharahan’ingahy Davida Rajaon, izay noafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana. Nitohy tamin’ny raharaha Pety sy ny Jeneraly Andrianafidisoa nipaka hatrany amin’ingahy Voninahitsy, ary io niafara tamin’ny fisamborana an’i depiote Zakahely ny alahady hariva teo. Ny tafavoaka aloha dia iray, fa ny sazy niampy kosa ny an’ireo hambara ho nikasa hanongam-panjakana ny volana (…)
  • Fitaterana nafarana tany ivelany

    « Nipirina ny tramway fa tonga ny TGV »

    mardi 27 mai 2008 | Naivo kely |  1675 visites
    Tsy hita tabilao intsony ny niafaran’ireo Tramway nafaran’ny ben’ny tanàna teo aloha Patrick Ramiaramanana. Noheverina fa hampiasaina hanala ny fasahiranan’ny olona manodidina ny renivohitra izy io, saingy nanjavona ankehitriny. Matoa nafarana ho tonga eto itony Tramway itony, dia efa voafaritra mialoha ny fitaovana hampiasaina aminy. Nisy ihany koa ny volan’ny kaominina nivoaka tamin’ny fanafarana azy nefa tsy misy tompon’andraikitra iray manazava ny mety na tsia hampiasana azy io eto (…)
  • Fandalovan’i Rossy

    Tsy atao mahagaga ny fitiavan’ny maro azy

    mardi 27 mai 2008 | Naivo kely |  946 visites
    Faly ny maro, fa tonga ny mpitapôlaka. Izay nolalovany feno hipoka avokoa. Isan’ny VCD mandeha indrindra ny kapila mangirana navoakany « ino vaovao », satria tsara rafitra ny gadon-kira navoakany. Tsy nilàna fandefasana hira matetika tamin’ny haino aman-jery ny hira vao malaza, fa tonga ho azy ao ambavan’ny maro. Ny antony, dia tsy nirototorotoana ny famoronana fa niangaliana an-taona maro. Tsy atao mahagaga ny fitiavan’ny olona azy, satria ireo hira tany aloha mbola miverina ao ambavan’ny (…)
  • Mbola malemy

    lundi 26 mai 2008 | Naivo kely |  445 visites
    Ny andro nankalazaina ny fetin’ny reny omaly no hilazana fa mbola malemy ny vehivahy eto amintsika. Satria nahoana hoy ny mpitazana hafa ? Tsikaritra fa ny finiavana betsaka fa ny entina hanatanterahana izany no tsy ampy. Porofon’io, ny mbola hianteherana amin’ny lehilahy. Misy ny ben’ny tanàna vehivavy izay mihanaka any amin’ny kaominina sasany any, manao ahoana ny asa vitany any raha atao indray mijery ? Ny depiote sy ny olom-boatendry hafa ve mba nisy asa misongadina haingana tao ho ao? (…)
  • Olom-boafidy isam-paritra

    Dedaka imason’ny filoha Ravalomanana

    lundi 26 mai 2008 | Naivo kely |  1065 visites
    Miseho ho mahavita asa nefa mampitondra fahoriana ny vahoaka. Io no ambetitenin’ny vahoaka raha miditra ny kaominina sy ny faritra ivelan’ny renivohitra ianao. Aleonay tsy misy olom-boafidy na tendrena fa ny filoha mivantana no ilainay ho tonga aty, satria io no hitanay fa maha-vaha ny olana isam-paritra. Teny amin’iny faritra atsimondrano iny no nitalahoan’ny vahoaka izany ny faran’ny herinandro iny. Ambohijoky mipaka hatreny Tsiafajavona sy Ankeribe iny no nahitana izany. Làlana eo amin’ny (…)
  • Referandaoma

    Mitohy ny fitakian’ny FTSV

    lundi 26 mai 2008 | Naivo kely |  380 visites
    Tsy tafitan’ny fanjakana intsony ny toky natao, ka aleo miditra amin’ny referandaoma. Io no isan’ny nambaran’ny filohan’ny « fikambanan’ny tanora sahy sy vonona » Ramamonjisoa Isaak ny tolona heveraina ho atao. Fito taona lasa izay ny toky napetraky ity filoha ankehitriny ity, nefa aiza ny zava-misy ankehitriny? Fahoriam-bahoaka, izay tsy azo leferina intsony. Iza ny olona tsy afaka hanao fampitaha ny vidin’entana niainga tamin’ny 2001 ka hatramin’izao. Mbola afaka hirehareha ve ity (…)
  • Valalan’Amboa

    vendredi 23 mai 2008 | Naivo kely |  763 visites
    Mitobaka ny entana vita vahiny, ahiana ho faty ny orinasa Malagasy. Mora sady mahafa-po ny maro ireny entana vita avy any ivelany ireny, isan’izany ny Fripérie, ny savony, ny kojakojan-tokantrano samy hafa. Ny kiraro sy haingo isan-karazany, dia saika mitsongoloka avokoa na ny manana na ny sahirana. Toa vitsy sisa raha ny eto an-tanan-dehibe no ahitana ireny mivoro-kitsay ireny, satria tsy te-hivoatra angaha. Miainga amin’ny Ar 200 dia efa mahazo somizo tsara, ary Ar 5000 dia mikiraro tsy (…)
  • Ady amin’ny fahantrana

    Tsy ny sakafo ihany no mahavelona

    vendredi 23 mai 2008 | Naivo kely |  592 visites
    Mitobaka etsy sy eroa ny vola avy amin’ny filoha Ravalomanana entina hiadiana amin’ny fahantrana. Porofo iray, fa eo ny finiavana hanao zavatra eto amin’ny firenena fa anjaran’ireo nomena andraikitra sisa no manatanteraka ny asa eny anivon’ny vahoaka. Voaresaka matetika ny sakafo sy ny fitaterana, izay nidiran’ny filoha manokana ny aro riaka entina hiatrehana ny mety ho fidangan’ny vidim-piainana. Zava-dehibe izany, ary tsy hidirana lalina aloha anio izay orinasa sy koperativa mety ahazo (…)
  • Omeo ny baiko

    jeudi 22 mai 2008 | Naivo kely |  528 visites
    Ho tonga ny vola eny anivon'ny kaominina ny herinandro io. Samy hanana ny paika adiny avokoa ny ben'ny tanàna rehetra amin'ny asa mivaingana ilain'ny mponina eo an-tanàna. Ny fahaizana mandresy lahatra ny mponina sisa andrasana, satria mbola asa goavana io. Fandrosoana inona no ho hita raha tsy eo amin'ny vahoaka ny risim-po hiaraha-hampandroso ny faritra. Fa isan'ny maha-taraiky ny faritra iray, indrindra ny any ambanivohitra ny tsy fisian'ny Jiro hanazava ny tanàna. Asa maro no vita (…)
  • Henjana ny sazy, anatra ho an’ny hafa ?

    mercredi 21 mai 2008 | Naivo kely |  716 visites
    Hampiakatra fitsarana ambony ny mpiaro ny jeneraly Fidy, sy ingahy Pety Rakotoniaina, ary ireo manamboninahitra voarohirohy niaraka tamin’izy ireo. Sazy tsy misy latsaky ny folo taona avokoa no nomen’ny fitsarana azy ireo. Tsy dia asiana resaka be firy intsony angamba ny momba ilay fikasana hanogam-panjakana saika hatao ny 17 novambra 2006 teo. Tao ho ao dia nandeha ny feo momba ireo manamboninahitra nalaina am-bavany teny Fiadanana izay mahakasika fanonganam-panjakana ihany. Tsy mbola (…)
  • Fandravana ny federasiona

    Haverina ministra ve Ramiaramanana ?

    mercredi 21 mai 2008 | Naivo kely |  669 visites
    Niravona ny olan’ny federasiona sy ny FIFA. Ho raikitra indray ny baolina, ary faly ny Malagasy. Tsy asiana resabe intsony momba ny didy famerenana ny federasiona amin’ny andraikiny, izay io raharaha io ihany koa no antony nampiatoana ny ministra tamin’ny asany. Niravona io ny olana, ary afaka manao ny asany antsakany sy andavany ny federasiona. Efa hita ihany koa ny famondronana ny mpilalao hiatrika ny lalao iraisam-pirenena afaka folo andro. Ny baolina kitra iny no nivaha ny olana fa ny (…)
  • Miasa miaraka no fahombiazana

    mardi 20 mai 2008 | Naivo kely |  583 visites
    Tena hanomboka ny asa miainga any ifotony. Ny ben’ny tanàna eto an-drenivohitra, Andry Rajoelina omaly, dia tsy nihambahamba nilaza fa hankatoaviny ny tenin’ny filoha Ravalomanana milaza hoe : « miasa miaraka no fahombiazana ». Isan’ny nomeny lanja tamin’izany fiarahana miasa izany ny fanampian’ny filoha Ravalomanana ny kaominina eto an-drenivohitra hanarina ny Lapan’ny tanàna etsy Analakely. Tsy hisy intsony ny sakana amin’ny asa atao isaky ny tanàna, satria ny torohevitra efa nomena teny (…)
  • Ben’ny tanàna etsy Iavoloha

    Sady miofana no hiatrika kongresin’ny TIM

    mardi 20 mai 2008 | Naivo kely |  330 visites
    Tafapetraka ny paika isan-karazany iatrehan’ny TIM ny kongresiny manomboka rahampitso. Tonga avokoa ny mpizaika rehetra manerana ny faritra 22, ary isan’io ireo ny ben’ny tanàna izay miatrika fiofanana etsy Iavoloha izay hifarana anio. Tsapan’ny maro fa ity kongresy ity no tena mibahana tamin’ny nampiakarana ireto ben’ny tanàna eto an-drenivohitra ireto. Ny fiofanana amin’ny fahaizana mitantanana, dia fanampiny fotsiny ihany. Matoa ny olona iray milatsaka ao amin’ny kaominina sy ny faritra (…)
  • Atambaro izay tokony hiaraka

    lundi 19 mai 2008 | Naivo kely |  484 visites
    Tsy ny olona no tsy ampy fa ny mpitondra no mahafehy izay andraikitra ankinina aminy. Toa izao hitarafana ny andraikitra sahanin’ny ministra eto amintsika ireo. Hita izao fa olom-panjakana iray misahana toerana maro toa nyPraiminisitra lehiben’ny Governemanta. Toy izany koa ny ministry ny fahasalamana izay misahana ministera roa raha toa ka natambatra iray ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina ary ny fialam-boly. Fitsitsiana avokoa izany hoy ny mpitazana, satria raha ho vitan’ny iray ve (…)
  • Pierre Houlder

    Tsy nahavita ny andraikiny ny mpanohitra

    lundi 19 mai 2008 | Naivo kely |  616 visites
    Tokony hanana ny tetika politika ny antoko sy ny mpanao politika rehetra. Ny mpanohitra dia natao hanitsy ny mpitondra eo amin’ny fitondrana fa tsy sanatria ny hanongana lava izay mpitondra amperin’asa no atao. Tsy ankasitrahako ny fitarihana olona hanongam-panjakana an-dàlambe satria io no namotika ny firenena hatramin’izay, ary tokony ahay haka lesona tamin’izay nitranga teto ny mpitondra. Io no fanehoan-kevitra nataon’ingahy Pierre Houlder tao amin’ny Aceem Radio omaly antoandro. (…)
  • Be no ho voaringitra

    samedi 17 mai 2008 | Naivo kely |  745 visites
    Andro maro izay no niakaran’ireo hambara ho mpanongam-panjakana tetsy amin’ny fitsarana etsy Anosy. Nirarakompana ny fivoahan’ny tsiambaratelo momba ny fivoahan’ny fitaovam-piadiana nampiasaina, izay niainga tamin’ny raharaha 2002 sy ireo nataon’ingahy Jeneraly Andrianafidisoa ny 17 Novambra 2006 ireny. Tsy misy afa-bela ireo anaran’olona maro voatonontonona eny amin’ny fitsarana, satria hambara ho mpiray tsikombakomba avokoa izy ireny. Maro ny efa migadra, ary tsy vitsy no alaina ambavany. (…)
  • Gazety

    Roboka ny mpanambola

    samedi 17 mai 2008 | Naivo kely |  540 visites
    Ambara ho tsy malalaka nefa miroborobo. Io no hitarafana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Mihoatra ny zato ny karazana gazety antsoratra eto Madagasikara, ary tsy latsa-danja amin’izany ny radio. Ny fahita lavitra no hita fa vitsy raha mitaha amin’ireo. Gazety fanehoan-kevitra na fambolena na ihany koa fiaraha-monina sy ny politika, ary mipaka hatrany amin’ny gazety hivoizana ny fivavahana. Ireo dia hita avokoa, saingy misy ny mivoaka isan’andro, ary ao ny isa kerinandro. Ny (…)
  • Asehoy ho fanta-bahoaka

    vendredi 16 mai 2008 | Naivo kely |  649 visites
    200 ny Malagasy voan’ny SIDA hoy ny haino aman-jery iray teto amintsika ny alarobia maraina teo. Fanazavana azo nandritra ny hetsika nokarakarain’ny ministeran’ny fahasalamana tetsy Befelatanana ny alatsinainy hariva teo no nandrenesana izany. Azo adika fa efa zava-doza mananontanona ny fiainantsika Malagasy ny toy izany. Tsy ahilikilika ny voan’ity areti-mandoza ity, hoy ny dokam-barotra etsy sy eroa. Marina izany satria olom-belona tahaka antsika izy ireny, ary azo sosoana hoe tsy fidiny (…)
  • Fiverenan’ny federasiona baolina kitra

    Be ny ministra tsy handray baiko intsony

    vendredi 16 mai 2008 | Naivo kely |  737 visites
    Hijery baolina iraisam-pirenena indray ny gasy manomboka izao. Niverina tamin’ny toerana nilaozany ny federasiona ny baolina kitra, ary tsy hita pesipesenina ny hevitra nivoaka tetsy sy teroa taorian’ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Resy ny fanjakana, ary hitondra henatra ho an’izay niniha nanome baiko hampandrava ity federasiona ity ny tahaka izao. Misy ny mihevitra fa azo atao toy fibaikoana ny mpiray tanindrazana ny fifehezana ny FIFA, saingy itsy farany no (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}