Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Kongresin’ny TIM

    Be ny ho voahilika amin’ny andraikiny

    vendredi 16 mai 2008 | Naivo kely |  469 visites
    Tsy takona afenina ny disadisa anatin’ny antoko TIM. Andro vitsy tsy hanombohan’ny kongresy no mbola ahitana fingampingana isan-karazany ao anatin’ity antoko ity. Endrika tsy fifampitokisana eo amin’ny samy tompon’andraikitra no hitarafana izany. Ny tsy ampoizin’ny maro dia hatrany amin’ireo mpikirakira ny serasera sy ny fifandraisana ao anatin’ny antoko, dia toa hanjakan’io disadisa io. Samy te-ho mamy hoditra amin’ireo lehibe amboniny ny ankamaroany, ka tsy voafehy intsony ny (…)
  • Manita-tsaina

    jeudi 15 mai 2008 | Naivo kely |  576 visites
    Tsy hita veroka hatramin’izao ny ho avin’ny fanatanjahan-tena Malagasy. Tsy mbola voapetraka izay olona hisahana azy io eto amintsika na dia efa tapa-bolana aza no nahatona tamin’ny toerany ny minisitra nisahana azy io teo aloha. Tsy miandry izany anefa ireo mpikotrana eto amin’ny tanàna fa lasa manita-tsaina any an-kafa. Fantatra izao fa be mpitsiriritra ireto mpilalao Malagasy ireto, ary efa misy ny nahazo fifanarahana hilalao any ivelany. Toy ny entam-barotra izy ireo, ka misafidy ao (…)
  • Lany andro manarina

    mercredi 14 mai 2008 | Naivo kely |  539 visites
    Aoka izay ny fanapotehana, fa ho sasatry ny miarina ny firenena raha izay no manjaka eto amintsika. Mifantoka amin'ireo asa fanarenana maro atao eto ny saina. Isan'io ny Rovan'ny Manjakamiadana, izay antenaina fa ho vita amin'ny taona ho avy iny. Toy izany koa ny fanarenana amin'ny laoniny ny lapan'ny tanàna etsy Analakely. Vakoka Malagasy tsy azo apetraka ho nofy ireo asiana fanarenana ireo. Hetraketraky ny Malagasy iray rà amintsika no naha-potika hotohoto azy ireo. Tsy voarenina ao (…)
  • Fanarenana ny lapan’ny tanàna

    Iza no hamatsy vola ny kaominina ?

    samedi 10 mai 2008 | Naivo kely |  888 visites
    Manomeza kely. Isan’ny teny fanarabiana ataon’ny ankolafin’olona eto amin tsika io rehefa te-hangataka amin’olona iray hafa. Nanomboka tamin’ny naha-may ny rovan’i Manjakamiadana no nandrenesana io teny iray io. Ny datin’ny 13 may ho avy izao no fantatra fa hametraka ny vato fototra ho fanarenana ny lapan’ny tanana etsy Analakely ny ben’ny tanana Andry Rajoelina. Isan’ny ben’ny tanàna nanana finiavana hanarina io lapa io indray izany ingahy Andry TGV. Ny ben’ny tanàna Guy Willy Razanamasy (…)
  • Mivadika taranja

    vendredi 9 mai 2008 | Naivo kely |  782 visites
    Tsy misy mangirana ka dia mivadika taranja ny maro. Sehatry ny baolina kitra io. Tsy sahy manao lalao ara-pirahalahiana amintsika intsony ireo firenena maro manodidina antsika, satria matahotra ny ho sazian'ny FIFA ihany koa ry zareo. Ireo mpilalao eto an-toerana dia manomboka malaina amin'ny fanazaran-tena ataony, ka lasa miova any amin'ny sehatra hafa izy ireo. Maro ny fanatanjahantena azo atao, ka izahay ve ho lany zara ato amin'ny baolina kitra, hoy ny sasany. Hatreto dia miandry ny (…)
  • Fanomezana herinaratra

    Tsy tratran’ny JIRAMA ny tanjona

    vendredi 9 mai 2008 | Naivo kely |  557 visites
    Tanjona ao anatin'ny MAP ny fanomezana herinaratra ny tontolo Ambanivohitra. Ezaka izay nampetraky ny fanjakana ny hanaparitahana io herinaratra io manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Mandeha ila ny asa raha mbola ny haizina no manjaka. Kivy tanteraka ny kaominina Ambanivohitra ny mety ahazoan'izy ireo herinaratra hanazava ny faritra misy azy. Lafo ny fampidirana jiro amin'ny toerana ivelan'Antananarivo renivohitra, ary hita fa tsy maharaka ny filan'ny mpanjifa ny JIRAMA. Ny (…)
  • 1er tour de 100%

    mercredi 7 mai 2008 | Naivo kely |  553 visites
    Izay aroso dia lany. Miainga any amin’ny fifidianana manatona ny vahoaka, mipaka hatrany amin’ny mpifidy vaventy, ary mifarana ao an-dapa, dia lany 100% avokoa izay aroson’ny TIM. Mahay mazia ve izy ireo hoy ny mpitazana, sa ny foto-kevitra arosony no tena mambabo ny fon’ny maro ka tsy misy mitsipaka na dia iray aza ? Tsy mbola fahita eran-tany izany hifidy loholona anaty andrim-panjakana izany, dia vokatra 100% no hita. Tsy misy mpifaninana ihany koa ny kandida nifanehatra tamin’ingahy (…)
  • Sorona ny Renivohitra

    mardi 6 mai 2008 | Naivo kely |  743 visites
    Raikitra ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny sefom-pokontany sy ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra. Mikorontana ny sain’ny mpanara-baovao manoloana izany, satria toa tsy misy intsony ny marimaritra iraisana eo amin’ny roa tonta. Efa-bolana izao no voalaza fa tsy nandray tambin-karama intsony ireto sefom-pokontany ireto, ary nangataka fihaonana tamin’ny ben’ny tanàna, Andry Rajoelina ry zareo. Tsy mbola nisy ny fihaonan’ny andaniny sy ny ankilany. Ny mpamendrofendro dia manambara fa ny (…)
  • Filohan’ny Sénat vaovao

    Tsy hitondra fahagagana

    mardi 6 mai 2008 | Naivo kely |  396 visites
    Anio no fantatra izay ho filohan’ny Antenimieran-doholona vaovao. Samy manana ny tombany izay mety ahazo ny toeram-boninahitra iray io ny rehetra. Anarana telo no mandeha, izay samy olona akaiky ny filohan’ny Repoblika avokoa, ka ho sarotra amin’ny loholona mpifidy ny tena hametraka ny safidiny malalaka. Ny tsara ho fantatry ny maro, dia tsy hitondra fahagagana eo amin’ny fiainam-bahoaka andavan’andro izay lany eo. Maro ny lalàna tsy maintsy ho dinihina, fa ireo hevi-baventy mahakasika ny (…)
  • Asa fanaovan-gazety

    Tery malalaka

    lundi 5 mai 2008 | Naivo kely |  392 visites
    Nankalaza ny andro eran-tany ho amin'ny fahalalahana manao gazety isika teto Madagasikara ny 3 Mey lasa teo. Ny mpanao gazety zokiolona no nikarakara ny hetsika rehetra tetsy amin'ny Cite Ambatonakanga. Nandritra ny fihaonambe tao no nanehoan'ny rehetra ny endriky ny fahalalahana na teritery misy eto. Malalaka satria saika miroborobo ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara, ary porofon'izany ny fahitana ireo radio sy gazety maro be eto amintsika. Tery ihany anefa, satria misy hatrany ny (…)
  • Mpanolontsaim-paritra Analamanga

    Velona ny ady tombontsoa

    lundi 5 mai 2008 | Naivo kely |  450 visites
    Tsy voatazona ny teny nomena. Ny mahasoa aloha vao ny tanindrazana. Io no azo ilazana ny zava-misy eo amin'ny mpanolontsaim-paritra eto Analamanga manoloana ny ady varotra ho an'ny tombontsoan'ireto olom-boafidy ireto. Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoanan'ireto mpanolontsaim-paritra ireto ny fandinihana manokana ny tombotsoa tokony ho azon'izy ireo. Isan'io ny tokony hanomezana vola amin'ny trano hipetrahan'izy ireo. Ny fanonerana ny vola lany raha misy marary, ary misy ny mihevitra (…)
  • Lany andro manova

    samedi 3 mai 2008 | Naivo kely |  678 visites
    Isaky izay mahatsiahy dia manova. Io no hita ankehitriny, ary tsy hananan-kavana mihitsy fa izay tsy mitovy fomba fijery amin'ny filoha dia barakay avokoa. Izay no nampiavaka ity fitondrana ity tamin'ireo mpitondra nifandimby teto. Na vao manomboka mametraka ny fomba fiasana aza ny ministra na lehiben'ny faritra, dia efa ny fanovàna no tonga mialoha. Sahirana ny rehetra, satria toa lany andro manova eto isika, ka ho tratra aoriana ny tena asa mivaingana andrasana amin'ny mpitondra nomena (…)
  • Raharahan’antoko

    Iza no hifehy ny TIM ?

    samedi 3 mai 2008 | Naivo kely |  437 visites
    Voazara ny toerana anaty andrim-panjakana, hanomboka ny asa. Hita fa dia tafapetraka amin'ny andrim-panjakana samihafa ireo lohan'ny mpisorona ao anaty TIM. Olona heverina fa afaka hampandroso ny firenena ireo matoa napetraky ny filoha Ravalomanana amin'ireo andraikitra maro samihafa ireo. Olona manana ny fahaiza-manao ihany koa fa tsy sanatria mpanao politika mpitarika olona hidina an-dalambe. Hifantoka tanteraka any amin'ny raharaham-panjakana ireto olon'ny TIM nahazo toerana ireto, ary (…)
  • Asa mahafaty, fa tsy mahavelona

    vendredi 2 mai 2008 | Naivo kely |  806 visites
    Vita iny ny voalohan’ny volana Mey. Nanao izay ho afany ny mpiasa nandritra ny filaharana omaly maraina. Niainga tamin’ireny kabary maro nifandimbiasana ireny ny ventsoventsom-po tany anaty tany. Tsy tora-po kosa aloha no ilazana izany fa fijerena ny tena tombontsoa iraisana eo amin’ny samy mpiasa tsy ankanavaka. Toa mivaona amin’ny tena zava-misy ny hiainan’ny mpiasa Malagasy ankehitriny. Toa asa mahafaty fa tsy mahavelona no eto. Raha ireo fijaliana any amin’ny orinasa afaka haba no (…)
  • Fanarenana ny renivohitra

    Hadino indray ny faritra iva

    vendredi 2 mai 2008 | Naivo kely |  570 visites
    Mitohy ny asa atao eto andrenivohitra. Hita taratra io raha mandalo etsy Analakely amin’ny fametaha ireo sakana vy amoron’arabe, sy fanarenana ireo toerana manan-tantara toy ny etsy Ambohijatovo. Tsara ny fitoizan’ny asa satria izay no fandraisana andraikitra eo amin’ny fifandimbiasam-pahefana. Vita ihany koa ireo fifanarahana amin’ny firenena hafa, ary ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina dia efa nanambara fa hanomboka amin’izay ny tena asa eto andrenivohitra. Velon-taraina sahady anefa ireo (…)
  • Tabera Andriamanantsoa

    Mora mivadika i Manandafy

    mercredi 30 avril 2008 | Naivo kely |  1157 visites
    « Taona vitsy monja dia manadino i Manandafy. Isan’ny nitaky ny tokony hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena ity mpitarika ny antoko MFM ity, saingy tsy tsaroany intsony ny teniny taona vitsy lasa izay », hoy ingahy Tabera Andriamanantsoa, mpitarika ny federalista. Ny fampihavanam-pirenena izay isan’ny nagatahany ho atao eto, dia laviny indray ankehitriny fa tsy tokony ho atao eto. Làlana iray tsy azo hiodivirana io, satria nisy ady mahatsiravina teto. Tsy ny raharaha 2002 ihany, fa efa (…)
  • Harinaivo Rasamoelina

    Tsy tafavoakan’ny TIM ny fanarenana

    mercredi 30 avril 2008 | Naivo kely |  659 visites
    Ny hery rehetra no mitambatra vao tafarina ny firenena. Tsy hanana hery amin’io ny TIM na dia eo ampelantanany avokoa aza ny fahefana rehetra. Mila mametraka rafitra hiarahan’ny hery rehetra no maika indrindra. Io no vahaolana afahana manarina ny toe-karena, hoy ingahy Harinaivo Rasamoelina. Taona maro izay no nifehezan’ny TIM ny fahefana, aiza ny toerana misy antsika amin’izao ? Miditra amin’ny sehatry ny fanatontoloana isika, ary dia miara-mizaka ny krizy iraisam-pirenena. Ny firenena (…)
  • Very ny kanto Malagasy

    mardi 29 avril 2008 | Naivo kely |  1141 visites
    Vay ankandrina izy ity ka sady maharary no mahamenatra. Miroborobo fatratra ny hira Malagasy, ary saika feno izao karazana mpanan-kanto tsy fantatra rehetra izao ny haino aman-jery maro samihafa. Gaga ny rehetra fa hay manankarena mpanan-kanto tahaka izao ity nosy ity. Tsy ela dia efa any ambavan'ny zaza madinika ny hira navoakan'izy ireny, ary na ilay fihetsika mampidera ny afenina rehetra aza, dia efa hain'ny ankizy sahady. Toa manao tomandavana miakatra manao fampisehoana etsy sy eroa, (…)
  • Dokotera Manan’Ignace

    Hiomana handray fahefana

    mardi 29 avril 2008 | Naivo kely |  998 visites
    Tsy ny tsikera lava no afahana mampandroso ny firenena, fa ny fiomanana handray fahefana. Diso ireo mihevitra fa hidina andalam-be ka eny no handraisana ny fitondrana. Niarahantsika nahita ny fahavoazana nihantra tamin'ny firenena raha tsy hiteny afa-tsy ny raharaha 2002. Mbola izany ve no averina eto ? Tsia avy hatrany ny valiny hoy ny dokotera Manan'Ignace tao amin'ny Aceem Radio ny alahady antoandro teo. Nihaiky izy fa isan'ny nanohana ny fitondrana hiakatra teo amin'ny fitrondrana (…)
  • Mivadika ambony ambany

    lundi 28 avril 2008 | Naivo kely |  826 visites
    Fatra-paka tahaka isika fa tsy mahay manatanteraka. Io no hita raha mikasika ny fiainam-pirenena no jerena. Momba ny fiovan’ny Governemanta sy ireo olom-panjakana napetraka isaky ny faritra izany. Tao anatin’ny fitondrana nentin’ny filoha Ravalomanana izay, dia samy mahatsapa isika rehetra fa toa tsy marim-pototra firy ny toeran’ireny olona napetraka hampandeha ny faritra sy ny andrimpanjakana isan-karazany ireny. Tsaroan’ny rehetra fa nisy ministra iray volana monja tao amin’ny (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}